Hijery ny anatiny

31 JOLAY 2014
ROSIA

Vavolombelon’i Jehovah Nomelohin’ny Fitsaran’i Taganrog

Vavolombelon’i Jehovah Nomelohin’ny Fitsaran’i Taganrog

Namoaka didy ny fitsaran’i Taganrog, tamin’ny 30 Jolay 2014, fa meloka sy tokony hogadraina ny 7 tamin’ireo Vavolombelon’i Jehovah 16 notsaraina, satria nandamina fivoriana ara-pivavahana sy nanatrika an’izany. Tsy mampidi-doza akory anefa ny fivoriana ataon’izy ireo. Niakatra fitsarana izy ireo satria fotsiny hoe nanao ny fanaon’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. Atahorana tsy hahazo hanaraka ny fivavahany intsony koa ny Vavolombelon’i Jehovah manerana an’i Rosia, noho io didim-pitsarana io.

Ny 28 Jolay 2014 no saika hamoahan’ilay mpitsara an’ilay didy nefa nahemony iray andro izany. Nahatratra 100 pejy ilay didim-pitsarana. Ny 29 Jolay tontolo andro ilay izy no novakin’ilay mpitsara ary notohiziny ny marainan’ny 30 Jolay. Dimy taona ka hatramin’ny dimy taona sy tapany an-tranomaizina no sazin’ny anti-panahy efatra, miampy lamandy 100000 roubles (Ar 7000000 eo ho eo). Ny Vavolombelona telo kosa nasainy nandoa lamandy 50000 roubles ka hatramin’ny 60000 roubles (Ar 3500000 ka hatramin’ny Ar 4300000 eo ho eo). Efa nihoatra anefa ny fotoana nanaovana famotopotorana sy fitsarana, ka tsy nampandoavina an’ilay lamandy ireo nampangaina, ary natao sazy mihantona ny an’ireo voaheloka higadra. Afaka madiodio kosa ireo Vavolombelona sivy ambiny.

Ilay didim-pitsarana navoakan’ny fitsarana ambony any Rostov tamin’ny Septambra 2009 no nahatonga an’ilay mpitsara hamoaka ny fanapahan-keviny. Voalaza tao amin’ilay didim-pitsarana tamin’ny 2009 fa foana ny Fikambanana Ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Taganrog. Ilay fikambanana ara-dalàna fotsiny no voalaza tao, nefa ny zavatra mifandray amin’ny fivavahana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra any Taganrog sy ny faritra manodidina no nolazain’ilay mpitsara hoe voarara.

Nandritra an’ilay herintaona sy telo volana naharetan’ilay fitsarana, dia samy nilaza ireo voampanga fa tsy hiala amin’ny fivavahany mihitsy izy ireo ary hanao ny zavatra fanaon’ny Vavolombelon’i Jehovah foana. Mety haiditra am-ponja ihany àry ireo voaheloka, satria tapa-kevitra ny hijoro amin’ny heviny.

Hoy i Victor Zhenkov, anisan’ny mpisolovava tamin’io raharaha io: “Manahy aho hoe hisy fiantraikany amin’ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra eto Rosia iny didim-pitsarana iny. Mety hampiasain’ny manam-pahefana ao Taganrog sy manerana an’i Rosia mantsy ilay didy mba hanohizana ny fampijaliana sy fanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah, ka izay vao tena atahorana higadra izy ireo satria fotsiny hoe manaraka ny fivavahany.”

Nampakarin’ireo Vavolombelona ao Taganrog any amin’ny fitsarana ambony any Rostov ilay raharaha.