Hijery ny anatiny

16 JOLAY 2014
ROSIA

Hamoaka Didim-pitsarana Momba ny Vavolombelon’i Jehovah ny Fitsarana Rosianina

Hamoaka Didim-pitsarana Momba ny Vavolombelon’i Jehovah ny Fitsarana Rosianina

Hamoaka didim-pitsarana momba an’ilay raharaha mahakasika Vavolombelon’i Jehovah 16 ny tribonalin’i Taganrog, amin’ny 28 Jolay 2014. Naharitra herintaona sy telo volana ilay fitsarana. Lazain’ny manam-pahefana ao Taganrog fa mpanao heloka bevava ireo Vavolombelon’i Jehovah ireo, satria mandamina fotoam-pivavahana sy manatrika izany ary miresaka amin’ny olona ny zavatra inoany. Izany daholo anefa no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. Raha melohin’ny fitsarana ireo Vavolombelon’i Jehovah any Taganrog ireo, dia mety ho voaheloka daholo koa ny Vavolombelon’i Jehovah manerana an’i Rosia, noho izy ireo manaraka ny fivavahany.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Rosia: Grigory Martynov, tel. +7 812 702 2691