Hijery ny anatiny

1 JONA 2015
ROSIA

Hivoaka Tsy ho Ela ny Didim-pitsarana Momba An’ilay Raharaha any Taganrog

Hivoaka Tsy ho Ela ny Didim-pitsarana Momba An’ilay Raharaha any Taganrog

Naverina ny fitsarana an’ireo Vavolombelona 16 any Taganrog, any Rosia, nanomboka tamin’ny Janoary 2015. Mbola mitohy izany, efa ho enim-bolana atỳ aoriana. Gadraina sy ampandoavina lamandy ireo Vavolombelona satria fotsiny hoe nanao zavatra mifandray amin’ny fivavahany.

Efa tamin’ny 13 Mey 2013 no nanomboka ny fitsarana azy ireo, noho izy ireo voampanga ho mpanao heloka bevava satria lazaina fa mikomy amin’ny fanjakana. Nasaina nandoa lamandy ny fito tamin’ireo Vavolombelona, ary voaheloka higadra an-taonany maro ny efatra. Nataon’ilay mpitsara sazy mihantona daholo anefa ireo. Nasain’ny fitsarana ambony naverina ilay fitsarana ny 12 Desambra 2014, noho ny fangatahan’ny mpampanoa lalàna. Manantena ny Vavolombelon’i Jehovah fa hivoaka amin’ny faran’ny volana Jona ny didim-pitsarana.