Hijery ny anatiny

19 DESAMBRA 2016
ROSIA

Mitaky ny Rariny ny Vavolombelon’i Jehovah ka Mampakatra Fitsarana Ambony

Mitaky ny Rariny ny Vavolombelon’i Jehovah ka Mampakatra Fitsarana Ambony

Amin’ny 16 Janoary 2017, amin’ny 11.10 maraina, ora any Moscou, ny Fitsaran’i Moscou no hihaino ny Vavolombelon’i Jehovah, izay tsy manaiky hoe ara-dalàna ny fandrahonana ny hanakatonana ny foiben’izy ireo any Rosia. Azo inoana fa hivoaka amin’io andro io ihany ny didim-pitsarana.

Lazain’ny manam-pahefana fa “mahery fihetsika” ny Vavolombelon’i Jehovah. Tian’ny Vavolombelona haseho hoe namboamboarina ny porofo sy ny fiampangana azy ireo satria mpivavaka tso-po no nolazain’ny manam-pahefana eo an-toerana fa nanao heloka bevava. Rehefa natao ny fitsarana tamin’ny 12 Oktobra 2016, dia tsy navelan’ny Mpitsara M. Moskalenko, ao amin’ny Fitsaram-paritr’i Tverskoy any Moscou, hisy vavolombelona hiteny ary tsy navelany hojerena ny video nampiharihary ny zavatra tsy ara-dalàna nataon’ny manam-pahefana sasany.

Hoy i James Andrik, mpahay lalàna iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona: “Hisy vokany be foana izay didim-pitsarana hivoaka eo. Raha mandresy ny Tonia Mpampanoa Lalàna, dia mety hotanterahiny ilay fandrahonana nataony tamin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia. Mety hakatony ilay foibe, hanohy hanenjika ny fikambanana ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, ary hosakanany ny fivavahan’izy ireo manerana an’i Rosia. Raha ny Vavolombelon’i Jehovah kosa no mandresy, dia ho dingana lehibe hampandroso ny rariny izany.”