Hijery ny anatiny

26 OKTOBRA 2016
ROSIA

Vao Mainka Sakantsakanan’ny Fitsarana Tampon’ny Federasionan’i Rosia ny Fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah

Vao Mainka Sakantsakanan’ny Fitsarana Tampon’ny Federasionan’i Rosia ny Fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah

Nohamafisin’ny Fitsarana Tampon’ny Federasionan’i Rosia, tamin’ny 18 Oktobra 2016, ilay didim-pitsarana navoakan’ny fitsarana ambaratonga voalohany momba ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Orel. Mampirisika ny olona hikomy, hono, mantsy ilay fikambanana, dia tsy maintsy nofoanana. Fito amin’io izao ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah nofoanan’ny fitsarana rosianina. Misy lalàna iadiana amin’ny mpikomy any Rosia, ary io lalàna io no namboamboarin’ny fitsarana mba hamelezana ny Vavolombelon’i Jehovah.

Efa imbetsaka ny manam-pahefana any Orel no nitady hevitra mba hanafoanana ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Namoron-dainga izy ireo tamin’izany. Rehefa tsy nahomby anefa ny tetik’izy ireo, dia ny Minisiteran’ny Fitsarana indray no nitory an’ilay fikambanana tany Orel, tamin’ny Mey 2016. Nampangainy hoe mitaona ny olona hikomy io fikambanana io.

Tena niavaka io raharaha io. Nandefa taratasy fampitandremana tany amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia mantsy ny Mpampanoa Lalàna any, tamin’ny Martsa 2016. Tsy ela taorian’izay, dia ny fikambanana tany Orel no voalohany nahazo fandrahonana ary nofoanana avy eo.