Hijery ny anatiny

23 NOVAMBRA 2018
ROSIA

Mbola Mitohy ny Fisamborana sy Fanagadrana any Rosia

Mbola Mitohy ny Fisamborana sy Fanagadrana any Rosia

Trano maherin’ny 30, any amin’ny faritra andrefan’i Rosia, no nanaovan’ny polisy rosianina bemidina, nandritra ny volana Oktobra 2018. Rahalahy enina sy anabavy roa no nosamborina sy notanana am-ponja vonjimaika satria mandray anjara amin’ny asa lazaina fa mampidi-doza. Rahalahy sy anabavy 25 àry amin’izao no gadraina tsy ara-drariny ary 18 hafa no ambenana any an-tranony.

7 Oktobra, Sychyovka, faritanin’i Smolensk: Nanao savahao tamin’ny trano efatra ny polisy teo an-toerana sy ny polisy manokana misaron-tava. Nosamborin’izy ireo i Nataliya Sorokina, 43 taona, sy Mariya Troshina, 41 taona, anabavy mipetraka any. Namoaka didy ny Fitsaram-paritr’i Leninsky, roa andro taorian’izay, hoe tanana am-ponja vonjimaika izy ireo hatramin’ny 19 Novambra 2018. Namerina namoaka didy indray ilay fitsarana tamin’ny 16 Novambra 2018 hoe ampiana telo volana ny fijanonan’izy ireo any am-ponja, izany hoe hatramin’ny 19 Febroary 2019.

9 Oktobra, Kirov, faritanin’i Kirov: Trano 19, fara fahakeliny, no nanaovana bemidina. Anti-panahy dimy no nosamborina ary notanana am-ponja vonjimaika tatỳ aoriana. Rosianina ny efatra amin’ireo rahalahy (Maksim Khalturin, Vladimir Korobeynikov, Andrey Suvorkov, ary Evgeniy Suvorkov) ary Poloney kosa i Andrzej Oniszczuk. Taorian’i Dennis Christensen avy any Danemark, dia ny Rahalahy Oniszczuk no teratany vahiny manaraka gadraina tsy ara-drariny any Rosia, noho ny zavatra inoany.

18 Oktobra, Dyurtyuli, any amin’ny Repoblikan’i Bachkirie: Trano 11, fara fahakeliny, no nanaovan’ny polisy bemidina ary nogiaziny tamin’izany ny vola, karatry ny banky, sary, taratasy voaray, ordinatera, puce ho an’ny telefaonina, ary telefaonina entin-tanana. Nosamborina ny anti-panahy atao hoe Anton Lemeshev, ary nomelohina higadra vonjimaika mandritra ny roa volana. Nampodina anefa izy tamin’ny 31 Oktobra 2018 ka lasa ambenana ao an-tranony hatramin’izao.

Mbola mivavaka ho an’izay migadra ihany ny rahalahy sy anabavy any Rosia sady manampy azy ireo sy ny vady aman-janany, na dia atahorana aza hoe hanaovana bemidina koa ny tranony ary mety halaina ny fananany. Mivavaka ho an’ny rahalahy sy anabavy tsy mivadika rehetra any Rosia isika vahoakan’i Jehovah eran-tany, ary mety hanonona ny anaran’ny sasany aminy mihitsy aza, mandra-pilamin’ny olana any.—Efesianina 6:18.