Hijery ny anatiny

14 JOLAY 2016
ROSIA

Hodinihin’ny Fitsarana Ilay Fandrahonana hoe Hakatona ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia

Hodinihin’ny Fitsarana Ilay Fandrahonana hoe Hakatona ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia

Neken’ny fitsaram-paritra any Tver, any Moscou, ny fangatahan’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe hampakatra fitsarana an’ilay fandrahonana nataon’ilay Mpampanoa Lalàna. Amin’ny 18 Jolay 2016 ilay fitsaram-paritra no hihaino ny fanazavana omen’izy ireo, mba hahitana raha ara-dalàna na tsia ilay fandrahonana nataony, hoe hakatona ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia.

Nitady fomba hafa hanoherana ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia koa ireo lehibem-paritra any Arkhangelsk. Nandefa fangatahana tany amin’i Aleksandr Konovalov, Minisitry ny Fitsarana, àry izy ireo. Tiany hamoaka lalàna mantsy ny fanjakana mba handrarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tadiaviny horaran’ny lalàna koa ny fikambanana rehetra ananan’izy ireo any Rosia, nefa efa ara-dalàna tsara izy rehetra.