Hijery ny anatiny

22 JOLAY 2016
ROSIA

Ahemotra Amin’ny Septambra Ilay Raharaha Momba ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia

Ahemotra Amin’ny Septambra Ilay Raharaha Momba ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia

Nihaino ny andaniny sy ny ankilany ny Fitsaram-paritr’i Tver, any Moscou, mba hamakafakana an’ilay raharaha nampakarin’ny Vavolombelon’i Jehovah fitsarana. Tsy inona izany fa ilay fandrahonana nataon’ny mpampanoa lalàna iray hoe hofoanana ny foiben’izy ireo. Nahemotra amin’ny 23 Septambra 2016 ilay raharaha avy eo, ka amin’io vao tena hatao ny fitsarana. Nisy olona ambony maromaro avy amin’ny masoivoho isan-karazany ao Moscou nanatrika tao.

Atahorana ho voasakantsakana ihany anefa ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah, noho ny zavatra nataon’ny fanjakana tato ho ato. Nisy novana mantsy ny lalàna momba ny zon’ny olona hanaraka izay lazain’ny feon’ny fieritreretany sy ny lalàna momba ny fikambanana ara-pivavahana, ary nanan-kery ireo fanovana ireo nanomboka tamin’ny 20 Jolay 2016. Ho hita eo ihany hoe ahoana no hampiharan’ny fitondrana rosianina an’ireny lalàna vaovao ireny amin’ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah!