Hijery ny anatiny

18 OKTOBRA 2017
ROSIA

Namoaka Didy ny Fitsarana Ambony fa Mbola Migadra Ihany i Dennis Christensen

Namoaka Didy ny Fitsarana Ambony fa Mbola Migadra Ihany i Dennis Christensen

Nampakarina tany amin’ny Fitsaram-paritra tao Oryol ny raharahan’i Dennis Christensen, Vavolombelon’i Jehovah danoà, satria nangataka ny hafahana izy. Notsaraina nandritra ny adiny telo izy tamin’ny 28 Septambra 2017, nefa tsy neken’ilay fitsarana ilay fangatahana. Mbola migadra ihany àry izy hatramin’ny 23 Novambra 2017.

Tamin’ny Jolay Atoa Christensen no notsaraina voalohany tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany. Tsy rariny ny nataon’ilay fitsarana, satria mbola nasainy nogadraina hatramin’ny Novambra izy. Mila manangona “porofo” hiampangana azy hoe mpampihorohoro mantsy, hono, ny mpampanoa lalàna. Nampakarin’ny mpisolovavan’Atoa Christensen tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona (CEDH) ilay raharaha, ka tamin’ny 4 Septambra 2017 ny CEDH no nanomboka nanadihady an’ilay izy. Nandefa fanontaniana be dia be tany Rosia izy ireo, noho i Rosia tsy manaja ny zon’Atoa Christensen.

Lasa liana momba an’io raharahan’Atoa Christensen io ny fiaraha-monina iraisam-pirenena. Izy mantsy anisan’ireo olona voalohandohany nogadrain’i Rosia noho izy manaraka ny zavatra fanaon’ny fivavahany, taorian’ireny tsy rariny natao tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny andron’ny Firaisana Sovietika ireny.