Hijery ny anatiny

1 MEY 2018
ROSIA

Ampakarina Fitsarana Ambony ny Raharaha Satria Mety Halain’ny Fanjakana ny Tranon’ny Sampana Taloha any Rosia

Ampakarina Fitsarana Ambony ny Raharaha Satria Mety Halain’ny Fanjakana ny Tranon’ny Sampana Taloha any Rosia

Hohenoin’ny fitsarana ao Saint-Pétersbourg ny fangatahantsika hampakatra fitsarana ambony, amin’ny alakamisy 3 Mey 2018, amin’ny 11.30 maraina. Nisy didim-pitsarana nivoaka mantsy tamin’ny Desambra 2017 hoe azon’ny manam-pahefana alaina ny tranon’ny sampana taloha any Rosia. Azon’ny fanjakana alaina avy hatrany ireo trano 14 ao amin’io sampana io raha resy isika.