Hijery ny anatiny

3 MARTSA 2014
ROSIA

Nanaja ny Zon’olombelona ny Fitsarana Ambony Rosianina Rehefa Tsy Nety Nandrara ny JW.ORG

Nanaja ny Zon’olombelona ny Fitsarana Ambony Rosianina Rehefa Tsy Nety Nandrara ny JW.ORG

Tamin’ny 22 Janoary 2014 dia nofoanan’ny mpitsara telo ao amin’ny Fitsaram-paritra any Tver, ny didy navoakan’ny fitsarana ambany kokoa izay nandrara ny jw.org, tranonkala ofisialin’ny Vavolombelon’i Jehovah. a Nampihatra ny lalàna ilay Fitsaram-paritra tamin’ity fa tsy nanao toy ny tamin’ireo didy hafa efa navoakan’ny fitsarana rosianina, nandritra ireo taona vitsivitsy lasa. Tsy nety nandrara an’ilay tranonkala ilay fitsarana na dia nisy mpampanoa lalàna niezaka mafy hanao izany aza.

Manohana ny fandrahonana sy fanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia ny fanjakana any. Niharatsy izany tamin’ny 7 Aogositra 2013, rehefa namoaka didy ny fitsarana ambany kokoa any Tver (160 kilaometatra eo ho eo any avaratrandrefan’i Moscou) hoe tokony horarana ny jw.org. Naharitra 25 minitra monja ilay fitsarana. Tsy nilazana akory ireo solontenan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka tsy mba afaka namaly ny fiampangan’ilay mpampanoa lalàna teo an-toerana sady tsy afaka niaro tena teo anatrehan’ny fitsarana. Tamin’ny alalan’ny haino aman-jery no nahalalan’ny Vavolombelon’i Jehovah an’ilay vaovao, ora vitsivitsy monja talohan’ny fetra farany nahafahan’izy ireo nampakatra fitsarana, tamin’ny 12 Septambra 2013. Nampakatra ny raharaha tany amin’ny Fitsaram-paritr’i Tver avy hatrany izy ireo.

Tamin’ilay fitsarana natao tamin’ny 22 Janoary 2014, dia nanaiky ilay Fitsaram-paritra fa nohitsakitsahina ny zon’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc., tompon’ny tranonkala jw.org. Nilaza àry ilay Fitsaram-paritra fa haverina ny fitsarana ary hohenoina ny andaniny sy ny ankilany. Notohanan’ny solontenan’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny Minisiteran’ny Atitany ilay mpampanoa lalàna, ary nangataka tamin’ny fitsarana mba hanasokajy ny jw.org ho tranonkala “mampidi-doza” sy handrara azy io manerana an’i Rosia. Mendri-piderana anefa ilay Fitsaram-paritra satria nolaviny ny porofo naroson’ilay mpampanoa lalàna.

Nanomboka ny fandrahonana nanerana an’i Rosia: Nampiasaina mba hanakantsakanana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny lalàna iadiana amin’ny mpikomy. Nanao lalàna ny fanjakana rosianina mba hiadiana amin’ny fikomiana. Nampiasain’ny manam-pahefana anefa ireo teny tsy dia mazava loatra amin’io lalàna io nanomboka tamin’ny 2009, mba handrahonana ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanomboka tamin’ny fandrahonana madinidinika izany fa avy eo nataon’izy ireo izay hampiharana azy manerana an’i Rosia. Ilay lalàna momba ny fikomiana no hanamarinan’ny manam-pahefana ny:

  • fihazonana am-ponja Vavolombelon’i Jehovah 1600 mahery

  • fandrarana ny 70 amin’ny bokin’izy ireo

  • fanaovana savahao ny tranon’izy ireo sy ny trano fivavahan’izy ireo miisa 171, ary ny

  • fanelingelenana na fanakorontanana fivoriana in-69 hatramin’izao.

Tamin’ilay raharaha tao Tver, dia nitetika ny handrara ny jw.org ilay mpampanoa lalàna, satria hoe misy boky enina lazaina fa “mampidi-doza” ao amin’ilay tranonkala. Ilay lalàna iadiana amin’ny fikomiana no nampiasain’ny fitsaran’i Tsentralniy, any Tver, mba hamoahana an’ilay didy tamin’ny 7 Aogositra 2013, hoe horarana sy hampidirina ho anisan’ny zavatra mampidi-doza ny tranonkala jw.org.

Hita mihitsy hoe tena tsy rariny ilay didy satria tsy mba nomena soso-kevitra hafa ny voampanga, ohatra hoe asaina esoriny ao amin’ilay tranonkala ireo boky lazaina fa “mampidi-doza.” Rehefa hitan’ilay Fitsaram-paritra fa efa nesorin’ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ny jw.org any Rosia ny boky rehetra lazaina fa “mampidi-doza”, dia namoaka didy izy io hoe tsy misy antony araka ny lalàna tokony handrarana an’ilay tranonkala. Iny no fanapahan-kevitra farany, na dia mbola manana enim-bolana aza ilay mpampanoa lalàna mba hangatahana ny hampakarana an’ilay raharaha any amin’ny fitsarana ambony kokoa. Tsy voatery hanaiky an’ilay fampakarana fitsarana koa anefa ny fitsarana.

Midika ve ilay didy navoakan’ny Fitsaram-paritr’i Tver hoe mety hihatsara ny toe-javatra?

Mbola mitohy ny ady. Mifanohitra tanteraka amin’ny fepetra noraisin’ny fitsarana rosianina hafa momba ny Vavolombelon’i Jehovah ny fanatsoahan-kevitry ny Fitsaram-paritr’i Tver sy ny didy navoakany. Efa imbetsaka ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona no nanameloka an’i Rosia ho nanitsakitsaka ny zon’ny Vavolombelona hanaraka izay fivavahana tiany. Tsy nanaraka ny fepetra ao amin’ireny didy navoakan’ny Fitsarana Eoropeanina ireny anefa i Rosia, fa vao mainka aza nanitsakitsaka ny zon’ny olona. Mbola misy 23 ny fitoriana an’i Rosia nalefan’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny Fitsarana Eoropeanina, mba hiarovana ny zon’izy ireo hanaraka izay fivavahana tiany.

Midika ve ilay didy navoakan’ny Fitsaram-paritr’i Tver hoe mety hihatsara ny toe-javatra? Handinika akaiky an’izay hataon’i Rosia amin’io didim-pitsarana io sy ny didy hafa mbola havoakan’ny Fitsarana Eoropeanina ny Vavolombelon’i Jehovah.

a Raha noraran’ilay fitsarana ilay tranonkala dia ho nanakana azy io tsy hisokatra ny orinasa mpandefa Internet. Ho azon’ny manam-pahefana melohina ho manao heloka bevava koa izay manokatra azy sy mampirisika ny olona hanokatra azy.