Hijery ny anatiny

7 APRILY 2017
ROSIA

Andro Fahatelo Nihainoana An’ilay Raharaha Momba ny Fandrarana ny Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah

Andro Fahatelo Nihainoana An’ilay Raharaha Momba ny Fandrarana ny Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah

Androany ny andro fahatelo nihainoan’ny Fitsarana Tampon’ny Federasionan’i Rosia ny raharaha momba ny fandrarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah any an-toerana. Olona maro no nijoro ho vavolombelona niaro azy ireo. Anisan’izany ny tompon’andraikitra roa ao amin’ny foiben’izy ireo, izay tsy nanaiky ny fitakian’ny Ministeran’ny Fitsarana.

Nilaza i Sergey Cherepanov fa tsy mitombina ny fitakian’ilay Minisitera hoe tsy tokony handika ny lalàna iadiana amin’ny mpikomy intsony ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny solontenan’ilay Minisitera koa tsy nanazava hoe nahoana no lazaina fa mandika an’ilay lalàna ny foibe, na hoe inona no tokony hataony mba tsy handikana azy io intsony. Nilaza i Vasiliy Kalin, tompon’andraikitra hafa, fa efa 26 taona izay no nisian’ilay foibe. Nanontany àry izy hoe: “Taiza ho aiza tamin’ny fotoana izahay no lasa mpikomy?” Ankoatra izay, dia nilaza izy fa tsy niova ny Vavolombelon’i Jehovah fa mbola mankatò foana ny manam-pahefana sady miezaka mitandro fihavanana. Manahy, hono, izy hoe efa manomboka sahady ny fanenjehana an’ireo Vavolombelona.

Nilaza ny mpitsara fa hahemotra amin’ny 12 Aprily 2017 amin’ny 10 ora maraina ilay fitsarana.