Hijery ny anatiny

12 APRILY 2017
ROSIA

Nihaino ny Vavolombelon’i Jehovah ny Fitsarana Tampony

Nihaino ny Vavolombelon’i Jehovah ny Fitsarana Tampony

Ny 12 Aprily 2017 no andro fahefatra nitsaran’ny Fitsarana Tampony ny raharahan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia, momba ny handrarana ny asan’izy ireo sa tsia. Noporofoin’ny mpisolovavan’ny foiben’ny Vavolombelona any Rosia, fa tsy manaja ny fifanarahana iraisam-pirenena nosoniavin’i Rosia ny Ministeran’ny Fitsarana, sady manitsakitsaka ny lalàm-panorenana rosianina.

Nilaza koa ireo mpisolovava fa mandika lalàna iraisam-pirenena ny fangatahan’ny Ministeran’ny Fitsarana hoe horarana ny asan’ny Vavolombelona, satria tsy manaja ny Fifanarahana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona sy ny Fifanarahana Iraisam-pirenena Momba ny Zo Sivily sy Politika. Milaza anefa ireo fifanarahana ireo sy ny lalàm-panorenan’i Rosia hoe zon’ny olona ny manao izay eritreretiny fa mety, ny mifidy ny fivavahany, ny maneho hevitra, ny mivory, ary ny mamorona fikambanana ara-dalàna.

Nisy Vavolombelon’i Jehovah efatra nijoro ho vavolombelona hoe tsy mampiasa boky sy gazety ao anatin’ny lisitry ny boky mampidi-doza raran’ny fanjakana ny fiangonan’izy ireo. Nilaza koa izy ireo hoe tsy manao zavatra mampidi-doza ho an’ny firenena mihitsy ny Vavolombelona. Nilaza ilay Fitsarana fa hitohy ny 19 Aprily 2017 amin’ny 10 ora maraina indray ilay fitsarana.