Hijery ny anatiny

20 DESAMBRA 2018
ROSIA

Hotsaraina Farany ny Rahalahy Akopyan ny 21 Desambra

Hotsaraina Farany ny Rahalahy Akopyan ny 21 Desambra

Mpanjaitra efa misotro ronono ny Rahalahy Arkadya Akopyan, 70 taona, ary mipetraka any amin’ny Repoblikan’i Kabardino-Balkarie, any Rosia. Efa herintaona izay izy no nivezivezy teny amin’ny Fitsaram-paritr’i Prohladniy. Ireto avy no niampangana azy: Nizara boky lazain’ny fanjakana fa mampidi-doza, sy nitarika olona hankahala ny fivavahana hafa, tamin’izy nanao lahateny ara-baiboly tao amin’ny Efitrano Fanjakana. Amin’ny 21 Desambra 2018 ny fitsarana azy farany.

Mbola tsy fantatsika raha hamoaka didy amin’ny 21 Desambra ny fitsarana na tsia. Raha meloka anefa ny Rahalahy Akopyan dia mety handoa vola be amin’ny fanjakana na higadra efa-taona.

Ankoatra ny Rahalahy Akopyan, dia Vavolombelon’i Jehovah 100 mahery no ampangaina ho mpandika lalàna, any Rosia, satria hoe manaraka ny fivavahany. Mivavaka ho an’ny rahalahy sy anabavintsika rehetra tsy mivadika isika. Enga anie izy ireo ka hanana an’ilay fiadanana avy amin’Andriamanitra foana!—Efesianina 6:11-14, 23.