Hijery ny anatiny

2 JOLAY 2013
ROSIA

Fitsarana Eoropeanina: Tsy Azo Atao ny Mitsabaka Amin’ny Fiainan’ny Olona

Fitsarana Eoropeanina: Tsy Azo Atao ny Mitsabaka Amin’ny Fiainan’ny Olona

NEW YORK—Nasain’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona nandoa onitra tamin’i V. Zhukova sy Y. Avilkina, 5 000 euros avy (15 000 000 ariary eo ho eo), ny Fanjakana Rosianina, tamin’ny alakamisy 6 Jona 2013. Tsy nahazo alalana tamin’izy roa vavy akory ny manam-pahefana rosianina fa tonga dia naka ny antontan-taratasy mirakitra ny fitsaboana azy ireo. Fiainan’izy ireo manokana anefa izany. Nilaza ilay Fitsarana fa nanitsakitsaka ny zon’ny olona hanana ny fiainany manokana ny Fanjakana Rosianina. Zava-dehibe anefa izany zo izany araka ny Fifanarahana Eoropeanina.

Naharitra dimy taona ilay raharaham-pitsarana. Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no nitory? Nandidy ny hopitaly rehetra tao Saint-Pétersbourg ny manam-pahefana iray, tamin’ny 2007, mba hanome azy “ny antontan-taratasin’izay Vavolombelon’i Jehovah tsy nanaiky hampidirana ra na taharon’ny ra.” Tsy nilazana akory anefa ireo marary sady tsy nanome alalana hoe azo jerena ny antontan-taratasiny. Nampakarin’izy ireo tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina àry ilay raharaha Avilkina sy ny Hafa Miady Amin’i Rosia, tamin’ny 9 Martsa 2009. Nilaza ilay Fitsarana hoe “nanampatra fahefana” i Rosia, ary tsy nisy “antony marim-pototra” tokony ho nampisehoana an’ireo antontan-taratasy manokana ireo tamin’ny manam-pahefana.

Nisy vokany tsara iny didim-pitsarana iny. Hoy i Grigory Martynov, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia: “Afaka mampiasa an’iny fanapahan-kevitra iny mba hiarovana ny zony ny olom-pirenen’i Rosia sy ny olona any amin’ny tany anisan’ny Filan-kevitra Eoropeanina.”

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Rosia: Grigory Martynov, tel. +7 812 702 2691