Hijery ny anatiny

1 JOLAY 2014
ROSIA

Eken’ny Fitsarana Eoropeanina fa Manana Zo Hivory ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia

Eken’ny Fitsarana Eoropeanina fa Manana Zo Hivory ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia

Nanome rariny ny Vavolombelon’i Jehovah ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona, tamin’ny 26 Jona 2014. Nekeny koa fa manan-jo hanao fotoam-pivavahana izy ireo, ary tsy tokony hanakantsakana an’izany ny manam-pahefana rosianina. Hitan’ilay fitsarana fa tsy nohajain’i Rosia ny Andininy Faha-5 (zo hanana fahafahana sy ho voaro) sy ny Faha-9 (zo haneho hevitra sy hanaraka ny feon’ny fieritreretana ary hanana fivavahana) amin’ny Fifanarahana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona. Nanao bemidina mba hanakorontana fotoam-pivavahana mantsy ny polisy tany, ny alin’ny 12 Aprily 2006.

Nivory mba hankalaza ny fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy Kristy ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany tamin’io alina io, toy ny fanaon’izy ireo isan-taona. Nanofa ny efitrano malalaky ny sekoly iray ny fiangonana roa tany Moscou, mba hanaovana an’io fivoriana manokana io. Mpanatrika 400 mahery no nantenaina ho tonga. Rehefa nandeha ilay fivoriana, dia tonga ny polisy. Fiaran’ny polisy niisa folo sy minibus roa no nitondra azy ireo. Nisy polisy be dia be nanao fanamiana sy andiana polisy manokana mitam-piadiana (OMON) koa niaraka tamin’izy ireo. Vetivety dia feno polisy nanodidina an’ilay trano. Nokorontanin’izy ireo ilay fotoam-pivavahana, nefa tsy nanana fahazoan-dalana hanao izany izy ireo. Nasain’izy ireo nivoaka daholo avy eo ny mpanatrika, nataony savahao ilay trano, ary nalainy ireo boky ara-baiboly. Nentiny an-keriny sy notazoniny tany amin’ny paositry ny polisy koa ny lehilahy 14 tamin’ireo mpanatrika. Tonga tany avy eo ny mpisolovava iray mba hanampy an’ireo Vavolombelona voatana. Nosavan’ny polisy izy ary natosik’izy ireo mba hianjera amin’ny tany. Nambanan’izy ireo antsy izy, sady norahonany hoe raha mitory izy dia hahita faisana ny fianakaviany. Nalefa nody ireo Vavolombelona voatana, adiny efatra teo ho eo taorian’izay.

Nikolay Krupko, anisan’ireo nitory tany amin’ny fitsarana

Notorin’i Nikolay Krupko sy ireo Vavolombelona telo hafa voatana ny manam-pahefana, satria nanao zavatra tsy ara-dalàna rehefa nanakorontana an’ilay fivoriana sy nitazona azy ireo. Nolavin’ny Fitsaram-paritr’i Lyublino sy ny Fitsaran’i Moscou ilay fitoriana, ka nalefan’ireo Vavolombelona tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina tamin’ny Jona 2007.

Nilaza toy izao ny Fitsarana Eoropeanina rehefa namoaka an’ilay didim-pitsarana hoe Krupko sy ny Hafa Miady amin’i Rosia, tamin’ny 26 Jona: ‘Marina fa tsy nilazana mialoha ny manam-pahefana hoe hisy fivoriana ho an’ny besinimaro hatao. Nilamina tsara anefa ilay fivoriana sady tsy natahorana hampisy korontana ireo mpanatrika, ka tsy nisy antony tokony ho nandravan’ny polisy an’ilay izy. Tsy lanonana nikotaba tany ivelany koa ilay izy fa fankalazana ara-pivavahana tao anaty trano fivoriana, ka tsy nanakorontana ny filaminam-bahoaka. Marina fa nihevitra ireo manam-pahefana hoe tsy ara-dalàna ilay fivoriana satria tsy nisy filazana mialoha. Tsy mifanaraka amin’ny fiarovana ny filaminam-bahoaka kosa anefa ny nahatongavan’ny polisy maro be mba handrava an’ilay fankalazana, sy ny nisamborana ny mpanatrika, ary ny nitazonana azy ireo nandritra ny adiny telo.’

Io no didim-pitsarana fahefatra manameloka an’i Rosia noho izy tsy manaja ny zon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nilaza ny Fitsarana Eoropeanina tamin’ilay didim-pitsarana hoe Kuznetsov sy ny Hafa Miady Amin’i Rosia, tamin’ny 2007, fa tsy nohajain’i Rosia ny Fifanarahana Eoropeanina. Nokorontanin’ny manam-pahefana mantsy ny fivoriana iray nataon’ny Vavolombelona marenina tany Tcheliabinsk. Nanameloka an’i Rosia indray ny Fitsarana Eoropeanina tamin’ny 2010 tamin’ilay raharaha Vavolombelon’i Jehovah any Moscou Miady Amin’i Rosia. Noraran’ny mpampanoa lalàna tany Moscou ny fikambanana ara-dalànan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany, tamin’izay. Namoaka didy ny Fitsarana Eoropeanina tamin’ny 2013, tamin’ilay raharaha Avilkina sy ny Hafa Miady Amin’i Rosia, hoe tsy nanaja ny zon’ny olona hanana ny fiainany manokana i Rosia. Nisy fanazavana momba ny fitsaboana mantsy nasain’ny mpampanoa lalàna ao amin’ny tanànan’ny Saint-Pétersbourg navoaka, nefa tsiambaratelo izany.

Tadiavin’ny manam-pahefana rosianina hofoanana ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah any. Vao mainka anefa hamafisin’ireo didy navoakan’ny Fitsarana Eoropeanina ireo fa tsy nohajain’i Rosia ny zo voalazan’ny Lalàm-panorenan’ny Federasionan’i Rosia sy ny Fifanarahana Eoropeanina.