19 APRILY 2017
ROSIA
Andro Fahadimy: Nodinihin’ny Fitsarana Ireo Raharaha Mahakasika ny Vavolombelona tao Anatin’ny Folo Taona
NEW YORK—Tamin’ny alarobia 19 Aprily 2017, dia olona 300 teo ho eo no tonga (ny sasany efa tamin’ny roa maraina) mba hanatrika ny andro fahadimy ihainoan’ny Fitsarana Tampon’ny Federasionan’i Rosia an’ilay fangatahan’ny Minisiteran’ny Fitsarana hoe tokony hofoanana ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nandinika an’ireo antontan-taratasy 43 voarainy ny Fitsarana, ary nofintininy ireo zavatra nanenjehan’ny manam-pahefana rosianina ny Vavolombelona tao anatin’ny folo taona.
Nandritra an’io fandinihana io, dia tsy afaka nilaza antony mari-pototra mahatonga azy te hanafoana ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Minisiteran’ny Fitsarana. Tsy nahita antony mari-pototra hilazana koa izy hoe nanao zavatra mampidi-doza ny foibe na ireo fikambanana ara-pivavahana (LRO) ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia. Anisan’ireo mpisolovavan’ny foibe i Yury Toporov. Nolazainy tamin’ny Fitsarana hoe nahazo mari-pankasitrahana sy taratasy fankasitrahana maromaro avy amin’ny fanjakana koa ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary misy maromaro amin’izany ao anatin’ireo antontan-taratasy. Manaporofo izany hoe mpanasoa ny fiaraha-monina no nahalalan’ny manam-pahefana ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, nandritra ny taona maro. Izany koa no ataon’ny fikambanana ara-pivavahan’izy ireo. Fanampin’izany, dia betsaka ny antontan-taratasy manamarina fa efa nijery tany amin’ireo toeram-pivavahan’ny Vavolombelona any Rosia ny Minisiteran’ny Fitsarana nanomboka tamin’ny 2008, nefa tsy nahita hoe nanao zavatra mampidi-doza ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanaiky an’izany soa aman-tsara ny mpisolovavan’ny Ministeran’ny Fitsarana.
Antenaina hitohy amin’ny 20 Aprily 2017 amin’ny 2 ora tolakandro ilay fitsarana.
Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:
Iraisam-pirenena: David A. Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, +1-845-524-3000
Rosia: Yaroslav Sivulskiy, +7-911-087-8009