Hijery ny anatiny

4 JOLAY 2014
ROSIA

Fitsarana An’ireo Vavolombelon’i Jehovah any Taganrog

Fitsarana An’ireo Vavolombelon’i Jehovah any Taganrog

Mbola mitohy amin’ity Jolay 2014 ity ny fitsarana an’ireo Vavolombelon’i Jehovah 16 any Taganrog, any Rosia. Efa herintaona sy roa volana izay no nitsarana azy ireo. Nandinika an’ireo “porofo” 60 mahery niampangana azy ireo ny fitsarana. Video ahitana ny zavatra ataon’izy ireo mandritra ny fotoam-pivavahany ny ankamaroan’ireo porofo ireo. Mivavaka sy mamaky Baiboly izy ireo mandritra izany, toy ny ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany.

Mety tsy hanan-jo hanaraka ny fivavahany intsony ireo voampanga sy ireo Vavolombelona 800 hafa any Taganrog. Samy nilaza anefa izy 16 fa tsy hiala amin’ny fivavahany mihitsy izy ireo ary hanao ny zavatra fanaon’ny Vavolombelon’i Jehovah foana, na inona na inona didim-pitsarana mivoaka eo.

Tsy rariny ny fiampangana an’ireo Vavolombelona 16 ireo. Miezaka mafy izy ireo sy ny mpisolovavany mba hiaro ny zony hanaraka ny fivavahany. Izany no ho hitanao ato amin’ity video ity.