Hijery ny anatiny

5 APRILY 2017
ROSIA

Natomboky ny Fitsarana Tampony any Rosia ny Fitsarana ny Raharahan’ny Vavolombelon’i Jehovah

Natomboky ny Fitsarana Tampony any Rosia ny Fitsarana ny Raharahan’ny Vavolombelon’i Jehovah

NEW YORK—Nandefa fangatahana tany amin’ny Fitsarana Tampon’ny Federasionan’i Rosia ny Ministeran’ny Fitsarana mba hanafoanana ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia. Nanomboka androany ny Fitsarana Tampony no nitsara an’ilay raharaha. Nilaza avy eo ilay Fitsarana fa hotohizina ny alakamisy 6 Aprily 2017 amin’ny 2 ora tolakandro ilay fitsarana.

Nandefa taratasy tany amin’ilay Fitsarana ny Vavolombelona tamin’ny 30 Martsa 2017, ho fanoherana ny fiampangan’ny Ministeran’ny Fitsarana. Tsy neken’ilay Fitsarana anefa androany ilay taratasy fanoherana nalefan’ny Vavolombelona, talohan’ny nilazany hoe haato kely ilay fitsarana. Tsy neken’ilay Fitsarana koa ny fangatahana manam-pahaizana hanamarina raha marim-pototra ny fiampangan’ny Ministeran’ny Fitsarana na tsia. Tsy navelany hiteny koa ireo vavolombelona nahita fa diso ny porofo natao hiampangana ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah maromaro any Rosia.

Tena lasa resa-be ilay raharaha ara-pitsarana satria be dia be ny mpilaza vaovao eran-tany miresaka momba an’ilay izy. Anisan’izany ny lahatsoratra ao amin’ny gazetiboky Time nivoaka tato amin’ny Internet ny 4 Aprily (“Hamoaka Didy ny Fitsarana Tampony any Rosia hoe Horarana sa Tsia ny Fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah”), sy ny matoam-baovao tao amin’ny gazety natao pirinty The New York Times tamin’ny 5 Aprily (“Kristianina Tia Fihavanana Nefa Ampangaina ho ‘Mampidi-doza’ ka Tadiavina Horarana”).

Hoy i David Semonian, mpitondra tenin’ny foiben’ny Vavolombelona any New York: “Irinay mafy raha mba manohana ny zon’ny mpiara-mivavaka aminay any Rosia ny Fitsarana Tampony, ka havela hanaraka amin-kalalahana ny fivavahany izy ireo. Olona an-tapitrisany eran-tany no hijery akaiky ny fizotran’ilay raharaha, satria tiany ho fantatra raha hiaro ny zon’ireo olom-pireneny mpanara-dalàna, dia ny Vavolombelon’i Jehovah, i Rosia.”

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Iraisam-pirenena: David A. Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1-845-524-3000

Rosia: Yaroslav Sivulskiy, tel. +7-812-702-2691