Hijery ny anatiny

1 OKTOBRA 2014
ROSIA

Nampakatra Fitsarana ny Vavolombelon’i Jehovah fa Nofoanana ny Fikambanana Ara-dalànan’izy Ireo any Samara

Nampakatra Fitsarana ny Vavolombelon’i Jehovah fa Nofoanana ny Fikambanana Ara-dalànan’izy Ireo any Samara

Ny 8 Oktobra 2014 no daty voatondro hihainoan’ny Fitsarana Tampon’ny Federasionan’i Rosia an’io raharaha io. Efa namoaka didy ny fitsarana ambaratonga voalohany hoe mampirisika ny olona hikomy ny Fikambanana Ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Samara. Loza ny hanjo an’ireo Vavolombelona 1500 mahery ao amin’io tanàna io, raha tsy manafoana an’izany didy izany ny Fitsarana Tampony.

Tetika nampiasain’ny mpampanoa lalàna tao Samara

Nanomboka tamin’ny Aprily 2014 ilay raharaha mahakasika ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Samara. Nametraka fitoriana tany amin’ny Fitsarana Ambony mantsy ny mpampanoa lalàna tao Samara, satria mampirisika ny olona hikomy, hono, io fikambanana io ka tokony hofoanana. Mbola tsy niakatra fitsarana akory ilay raharaha, dia efa tsy navela hanao ny asany ilay fikambanana sady nalaina ny trano fivavahany. Taorian’izay, dia nampidirin’ny Minisiteran’ny Fitsarana ao amin’ny Federasionan’i Rosia ho anisan’ny fikambanana mampidi-doza ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Samara. Mbola tsy nanomboka akory anefa ny fitsarana tamin’izay. Nanapa-kevitra ny Mpitsara Shabayeva, tamin’ny 29 Mey 2014, fa hofoanana ilay fikambanana ary halain’ny fanjakana ny trano fivavahany.

Tsy vao tamin’io akory ny manam-pahefana tao Samara no te hanafoana ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah any. Efa nametraka fitoriana tany amin’ny fitsarana ny mpampanoa lalàna tao, tamin’ny 2009, saingy notsoahany ilay izy tatỳ aoriana. Tetika hafa indray no nampiasain’ireo manam-pahefana tamin’ity indray mitoraka ity.

Tsy marim-pototra ny antony nanafoanan’ny fitsarana rosianina an’ilay fikambanana

Nanao savahao an’ireo trano nohofan’ny Vavolombelona ny polisy, tamin’ny Janoary 2013 sy tamin’ny Janoary 2014. Nahita boky ara-pivavahana tao, hono, ry zareo, ary nolazainy fa boky efa voararan’ny Fanjakana Federaly ilay izy. Nampitandrina an’ilay fikambanana tao Samara ny mpampanoa lalàna, taorian’ilay fikarohana nataon’ny polisy tamin’ny 2013. Notorin’izy ireo tany amin’ny fitsarana ilay fikambanana, satria mbola nahita boky ara-pivavahana ireo polisy rehefa nanao fikarohana tamin’ny Janoary 2014. Nomelohin’ny fitsarana ambaratonga voalohany tao Sovetskiy ilay fikambanana, tamin’ny 7 Martsa 2014, ary nasainy nandoa lamandy 50000 rouble (efa ho 4 tapitrisa ariary). Mino ireo Vavolombelona ao Samara fa ny polisy ihany no nametraka an’ireo boky nolazainy fa hitany. Tsy nanaiky koa izy ireo rehefa nilaza ny fitsarana fa boky mampidi-doza ny bokin’izy ireo. Nandefa fitarainana tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona izy ireo noho izany.

Azon’ny mpampanoa lalàna izay notadiaviny, tamin’ilay didy navoakan’ilay fitsarana tao Sovetskiy. Izay no nahatonga azy hitory an’ilay Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny Fitsarana Ambony, satria hoe mampirisika ny olona hikomy izy io. Ny hanafoanana azy io no zava-kendreny tamin’izany. Nanantitrantitra tamin’ny Mpitsara Shabayeva ireo mpisolovavan’ny Vavolombelona fa tsy ara-dalàna ny fanafoanana an’ilay fikambanana any Samara. Nilaza izy ireo fa tsy mampirisika ny olona hikomy mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah, na amin’ny asa ataony izany na amin’ny zavatra inoany, ary tsy manao an’izany koa ilay fikambanana. Noresahiny koa fa ireo polisy ihany no nametraka an’ireo boky lazaina fa voarara. Nandidy ny hanafoanana an’ilay fikambanana any Samara ihany anefa ny Mpitsara Shabayeva.

Mbola hanakantsakana ny fahalalahana ara-pivavahana foana ve ireo mpitondra any Rosia?

Mitovitovy amin’ny zava-nitranga tany Taganrog ihany ilay tany Samara. Lalàna ampiasain’ny Fanjakana Federaly hanoherana ny fikambanana mahery fihetsika no nampiharina tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nofoanana àry ilay fikambanana tao Taganrog, tamin’ny 2009, ary nisy Vavolombelona vitsivitsy nakarina fitsarana, tatỳ aoriana. Fito tamin’izy ireo no nomelohina, satria fotsiny hoe namonjy fotoam-pivavahana. Manahy ireo Vavolombelona any Samara hoe mety hatao hoatr’izany koa ry zareo.

Mbola tsy fantatra hoe ho tonga hatraiza ny fanenjehan’ny manam-pahefana rosianina ny Vavolombelon’i Jehovah. Efa nanomboka tamin’ny Jona 2014 ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny faritra maro eran’i Rosia no nomelohina, satria mizara boky mampidi-doza, hono. Manantena hahazo rariny any amin’ny Fitsarana Tampon’ny Federasionan’i Rosia ireo Vavolombelona any Samara.