Hijery ny anatiny

ROSIA

Fotoana Niavaka tany Rosia

Fotoana Niavaka tany Rosia
  1. 5 MEY 2018: Notohanan’ny fitsarana ao Saint-Pétersbourg ilay didy nanome alalana ny fanjakana haka ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia

    HIJERY MISIMISY KOKOA

  2. 17 JOLAY 2017: Notohanan’ny Filan-kevitra ao amin’ny Fitsarana Tampony Mandinika ny Fampiakarana Fitsarana any amin’ny Federasionan’i Rosia ilay fanapahan-kevitra nivoaka tamin’ny 20 Aprily. Voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia

    HIJERY MISIMISY KOKOA

  3. 20 APRILY 2017: Namoaka didy ny Fitsarana Tampon’ny Federasionan’i Rosia hoe voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia

    HIJERY MISIMISY KOKOA

  4. 30 NOVAMBRA 2015: Voaheloka daholo ireo Vavolombelona 16 taorian’ny famerenam-pitsarana tany Taganrog, satria hoe nanao zavatra mifanaraka amin’ny finoany. Sazy mihantona no nataon’ny mpitsara

    HIJERY MISIMISY KOKOA

  5. 2 DESAMBRA 2014: Noraran’ny Fitsarana Tampon’ny Federasionan’i Rosia ny jw.org

    HIJERY MISIMISY KOKOA

  6. 30 JOLAY 2014: Voaheloka ny fito tamin’ireo Vavolombelona 16 notsaraina tany Taganrog, satria hoe nanao zavatra mifanaraka amin’ny finoany

    HIJERY MISIMISY KOKOA

  7. 10 JONA 2010: Nanambara ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona hoe tsy manaja ny zon’olombelona ilay fandrarana ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Moscou

  8. 11 SEPTAMBRA 2009: Nanambara ny Fitsaram-paritr’i Rostov hoe mampidi-doza ny boky 34 navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah

  9. 2009: Nanomboka nampiharin’ny manam-pahefana tamin’ny Vavolombelona ny lalàna ampiasain’ny Fanjakana Federaly hanoherana ny fikambanana mahery fihetsika

  10. 26 MARTSA 2004: Voarara ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Moscou

  11. MARTSA 1996: Nafahana madiodio tamin’izay nanenjehana azy ny Vavolombelon’i Jehovah ary nolazaina hoe niharan’ny fampijaliana ara-politika

  12. 11 DESAMBRA 1992: Nosoratan’ny Federasionan’i Rosia ho ara-panjakana ny Vavolombelon’i Jehovah

  13. 27 MARTSA 1991: Nosoratan’ny Firaisana Sovietika ho ara-panjakana ny Vavolombelon’i Jehovah

  14. OKTOBRA 1965: Nihena ny fameperana sy ny famoretana nataon’ny fitondrana

  15. APRILY 1951: Vavolombelona 9 500 eo ho eo avy any amin’ny tany enina anisan’ny repoblika sovietika no natao sesitany tany Siberia

  16. 1928: Nezahin’ny Vavolombelon’i Jehovah nosoratana ara-panjakana ny fikambanana ampiasainy saingy tsy nahomby izany; nanomboka ilay fanenjehana naharitra taona maro

  17. 1891: Natao sesitany tany Siberia ny Vavolombelona voalohany

  18. 1887: Fantatra hoe nisy gazety Ny Tilikambo Fiambenana nalefa tany Rosia