Hijery ny anatiny

24 NOVAMBRA 2017
ROSIA

Nohalavain’ny Fitsaran’i Oriol Indray ny Fotoana Igadran’i Dennis Christensen

Nohalavain’ny Fitsaran’i Oriol Indray ny Fotoana Igadran’i Dennis Christensen

Naharitra adiny telo ilay fitsarana nataon’ny Fitsaram-paritra Sovietsky ao Oriol, any Rosia, tamin’ny 20 Novambra 2017. Namoaka didy izy ireo fa hitohy hatramin’ny 23 Febroary 2018 ny fitanana am-ponja vonjimaika an’i Dennis Christensen. Fanindroany amin’io izao ilay fitsarana no nampitombo telo volana ny fotoana igadran’Atoa Christensen. Efa tamin’ny Mey 2017 izy no nosamborina sy nogadraina, nefa tsy nandalo fitsarana akory. Nanatrika fotoam-pivavahana milamina tsara tao Oriol izy, rehefa nanao bemidina ny polisy.

Teratany danoà Atoa Christensen sady Vavolombelon’i Jehovah. Talohan’ny nisamborana azy, dia nilaza ny Fitsarana Tampony any Rosia hoe mahery fihetsika, hono, ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia norarany. Mbola nampian’ilay fitsaram-paritra indray àry ny fotoana itanana azy am-ponja. Amin’izay, hono, dia ho afaka hanangona “porofo” ireo mpanao famotorana, mba hiampangana azy ho nandika lalàna, kanefa izy nanaraka ny fivavahany fotsiny. Tsy neken’ny fitsarana ny hiambenana azy tany an-tranony nandritra an’ilay famotopotorana. Tsy noraharahainy koa ny tenin’ny fanjakana danoà, izay nanome toky fa tsy hanome pasipaoro ho an’Atoa Christensen sady tsy hanampy azy hivoaka an’i Rosia.

Teratany rosianina ny vadin’Atoa Christensen. Niara-nivory tamin’ny mpiara-mivavaka taminy izy mivady, tamin’ny fotoana nisamborana an’Atoa Christensen. Anisan’ny zo fototra mantsy izany hoe afaka mivory sy manaraka ny fivavahana tiany izany. Roa taona ihany izy, fara fahabetsany, no azon’ny fitsarana tazonina am-ponja vonjimaika. Raha hita hoe meloka izy, dia higadra enina ka hatramin’ny folo taona.