Hijery ny anatiny

2 JONA 2017
ROSIA

Hihaino An’ilay Raharaha Momba an’i Dennis Christensen ny Fitsarana any Oryol

Hihaino An’ilay Raharaha Momba an’i Dennis Christensen ny Fitsarana any Oryol

Vaovao farany: Ny 7 Jona 2017 no daty voalaza hoe hihainoan’ny fitsarana an’ilay raharaha momba an’i Dennis Christensen. Mihemotra foana anefa ilay izy.

Amin’ny 7 Jona 2017 amin’ny roa ora tolakandro no hihaino an’ilay raharaha momba an’ilay teratany danoà atao hoe Dennis Christensen ny fitsarana any Oryol. Nampidirina am-ponja vonjimaika mantsy izy, ka nametraka fitoriana tany amin’ilay fitsarana. Anti-panahy ao amin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Oryol Atoa Christensen. Ny 25 Mey 2017 izy no voasambotra. Nanao bemidina tao amin’ny trano nanaovan’ilay fiangonana fotoam-pivavahana ny polisy tamin’izay.

Efa hatramin’ny ela ny fitondrana rosianina no tsy namela ny Vavolombelon’i Jehovah hanaraka ny fivavahany. Nampangaina ho “mahery fihetsika” ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Oryol, ka nakatona tamin’ny Jona 2016. Nalain’ny fanjakana daholo koa ny fananan’izy io. Namoaka didy koa ny Fitsarana Tampony hoe hakatona ilay Foibem-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia sy ny Fikambanana Ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra any. Nilaza àry ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena (FSB) fa mandika lalàna ny Vavolombelon’i Jehovah any Oryol raha mbola miara-mivavaka, satria efa voalaza hoe tsy ara-dalàna sady mahery fihetsika ilay fikambanan’izy ireo.

Nanao famotorana momba an’Atoa Christensen ny FSB, satria lazain-dry zareo fa mpikambana ao amin’ilay fikambanana ara-pivavahana any Oryol izy. Mbola tsy mpikambana tao amin’io fikambanana io mihitsy anefa Atoa Christensen. Nampidirina am-ponja vonjimaika àry izy hatramin’ny 23 Jolay 2017, mandra-pahitana porofo hiampangana azy. Matahotra mantsy ny mpampanoa lalàna hoe handositra izy noho izy teratany vahiny.

Namerina nanao fitarainana tany amin’ny fitsarana iraisam-pirenena koa ny Vavolombelon’i Jehovah, ankoatra an’ilay fitoriana nataon’izy ireo momba an’Atoa Christensen, tany amin’ilay fitsarana any Oryol. Maro mantsy ny Vavolombelon’i Jehovah ampijalin’ny mpiara-monina sy ny fanjakana, taorian’ilay didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana Tampony any Rosia.