Hijery ny anatiny

5 APRILY 2017
ROSIA

Mbola Mitohy any Amin’ny Fitsarana Tampony Ilay Raharaha Momba ny Fangatahana ny Handrarana ny Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia

Mbola Mitohy any Amin’ny Fitsarana Tampony Ilay Raharaha Momba ny Fangatahana ny Handrarana ny Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia

Fantatra fa tian’ny Ministeran’ny Fitsarana any Rosia raha “hambara hoe mampidi-doza ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka tokony ho voarara, ary tokony hofoanana.” Nandinika an’ireo fangatahana sy nihaino ny tenin’ny mpitory sy izay torina ny Fitsarana Tampony any Rosia. Nilaza ireo mpitsara avy eo fa hitohy indray ilay fitsarana ny 6 Aprily 2017 amin’ny 2 ora tolakandro.

Nanatrika an’ilay fitsarana koa i Mark Sanderson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy izy: “Mampalahelo fa tsy neken’ilay Fitsarana Tampony sady nolaviny ny ankamaroan’ny fangatahan’ny foibentsika eto Rosia. Betsaka koa ny solontenan’ny ambasady sy fikambanana miaro ny zon’olombelona, nanatrika an’ilay fitsarana. Hita hoe liana amin’io raharaha io izao tontolo izao.”