Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah mihira mandritra ny fivoriana iray any Rostov-on-Don, any Rosia

22 SEPTAMBRA 2016
ROSIA

FIZARANA 1

Hevitry ny Manam-pahaizana: Ampiasain’i Rosia Hanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah ny Lalàna Hiadiana Amin’ny Fikambanana Mahery Fihetsika

Hevitry ny Manam-pahaizana: Ampiasain’i Rosia Hanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah ny Lalàna Hiadiana Amin’ny Fikambanana Mahery Fihetsika

 

Ho hitanao ato ny fanadinadinana manam-pahaizana fanta-daza, ary hizara telo izany ka ity no Fizarana voalohany. Manam-pahaizana manokana momba ny fivavahana sy ny politika ary ny fiaraha-monina izy ireo, ary misy koa nandalina ny tantaran’ny Firaisana Sovietika sy ny zava-nitranga taorian’izay.

ST-PÉTERSBOURG, any Rosia—Miezaka mafy ny Biraon’ny Mpampanoa Lalàna any amin’ny Federasionan’i Rosia mba hampisehoana hoe “mahery fihetsika” ny Vavolombelon’i Jehovah. Raha manome rariny azy ireo ny fitsarana, dia mety hofoanana ny fikambanana ara-dalànan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia, ary mety ho voarara ny asan’izy ireo manerana an’i Rosia. Nangataka ny hampakarana an’ilay raharaha any amin’ny fitsarana ambony kokoa ny Vavolombelon’i Jehovah, ary tokony ho amin’ny 23 Septambra 2016 ilay fitsarana.

Lalàna hiadiana amin’ny fikambanana mahery fihetsika any Rosia no ampiasaina hanenjehana ny Vavolombelona. Milaza ny manam-pahaizana fa “namboamboarina be” sy “tsy mitombina mihitsy” ilay lalàna sady natao “hamelezana olona.”

Pr. Derek Davis

Mandalina momba ny fifandraisan’ny fivavahana sy ny fanjakana ny Fikambanana J.M. Dawson, ao amin’ny Oniversite Baylor. Hoy ny Pr. Derek Davis, talen’io fikambanana io teo aloha: “Raha misy olona mahery fihetsika ka atahorana hahafaty olona, dia izany no tokony hiadiana. Izay miady amin’ny zavatra hafa ankoatra an’izay no azo lazaina hoe mahery fihetsika.”

Pr. Mark Juergensmeyer

Talen’ny Foibe Orfalea mandinika momba ny zava-mitranga maneran-tany sy iraisam-pirenena, ao amin’ny Oniversiten’i Kalifornia any Santa Barbara, ny Pr. Mark Juergensmeyer. Hazavainy ny antony mahatonga ny fanjakana hanao zavatra tafahoatra amin’ny fivavahana tia filaminana hoatran’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy izy: “Mampalahelo hoe ny ady amin’ny fikambanana mahery fihetsika no mody ampiasaina mba hanakanana ny olona tsy hanana fahalalahana ara-pivavahana.” Hoy koa ny Pr. Jim Beckford, mpikambana ao amin’ny Akademia Britanika: “Miray tsikombakomba amin’ny mpitandro ny filaminana ny Eglizy Ortodoksa mba hiarovana ny tombontsoany sy hanesorana an’izay heveriny fa mifaninana aminy.”

Pr. Jim Beckford

Manazava ny manam-pahaizana fa tsy araka ny tokony ho izy no ampiharana ny lalàna, nefa ilay lalàna mihitsy koa no natao ho mora azo hararaotina. Hoy ny Foibe SOVA miady ho an’ny zon’olombelona, any Moscou: “Imbetsaka izahay no efa niteny hoe tsy voafaritra tsara ny zavatra lazain’ilay lalàna hiadiana amin’ny fikambanana mahery fihetsika. Mety tsara hanenjehana an’izay antoko mpanohitra sy olon-kafa tsy manaraka ny besinimaro ilay izy.”

Pr. Emily Baran

Hoy ny Pr. Emily Baran, mpampianatra momba ny tantaran’i Rosia sy Eoropa Atsinanana ao amin’ny Oniversiten’i Tennessee: “Tokony hampanahy an’ireo mponina any Rosia ny fanavakavahana ataon’ny Fanjakana amin’ny Vavolombelona. Hita amin’izay nataon’ny Fanjakana mantsy fa vonona ny handa ny zon’ny fikambanana hafa izy, ary azony atao hoatran’izay nataony tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny antoko hafa vitsy an’isa.”

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: David Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, 1-718-560-5000

Rosia: Yaroslav Sivulskiy, 7-812-702-2691