Hijery ny anatiny

14 FEBROARY 2013
ROSIA

Rosia: Rarana ny Manakana ny Olona Tsy Hanao Fivoriambe

Rosia: Rarana ny Manakana ny Olona Tsy Hanao Fivoriambe

Nohamafisin’ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana any Rosia, tamin’ny 5 Desambra 2012, fa tsy voatery hanao fangatahana mialoha any amin’ny fanjakana ny fikambanana ara-pivavahana, raha te hanao fotoam-pivavahana any an-toeran-kafa ankoatra ny toeram-pivavahany efa nahazoan-dalana. Nampirisika ny hamoahana an’io didy io ny mpandray fitarainana ao amin’ny fikambanana miaro ny zon’olombelona any Rosia. Zava-dehibe amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay didy satria isan-taona izy ireo no manao fivoriambe any amin’ny toerana hofana sy any an-tranon’olona. Ireo fandresena azon’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona no nahatonga ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana hamoaka an’iny didy iny. Hoy i Grigory Martynov, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Manantena izahay fa tsy hisy hanakantsakana ny fivorianay noho iny didy iny, ary hisy foana ny fahalalahana ara-pivavahana eto Rosia.”

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Rosia: Grigory Martynov, tel. +7 812 702 2691