Hijery ny anatiny

26 JONA 2017
ROSIA

Ankasitrahan’ny Manam-pahefana Rosianina ny Vavolombelon’i Jehovah, Anisan’izany Ilay Teratany Danoà Nigadra, Satria Mazoto Manao Asa Soa

Ankasitrahan’ny Manam-pahefana Rosianina ny Vavolombelon’i Jehovah, Anisan’izany Ilay Teratany Danoà Nigadra, Satria Mazoto Manao Asa Soa

Taratasy nosoratan’ny manam-pahefana tany Oriol: “Mba ho fankasitrahana ny asa soa ataonareo ho an’ny fiaraha-monina sy ho fikajiana ny tontolo iainana.”

NEW YORK—Nankasitraka ny Vavolombelon’i Jehovah teo an-toerana ny manam-pahefana tao Oriol, any Rosia, tamin’ny 2 Jona 2017. Nandray anjara tamin’ilay ezaka fanao isan-taona mba hanadiovana tanàna mantsy ry zareo ny 22 Aprily 2017. Vavolombelona 70 no niasa an-tsitrapo indray andro maninjitra, mba hanala ny fako teny amin’ireo lalan’i Oriol sy tao Orlik, renirano mandalo amin’ilay tanàna. Ho mariky ny fankasitrahany, dia nanolotra fanomezana kely sy taratasy nosoratana tanana ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah ireo manam-pahefana. Izao no anisan’ny voasoratra tao: “Mba ho fankasitrahana ny asa soa ataonareo ho an’ny fiaraha-monina sy ho fikajiana ny tontolo iainana.”

Tamin’ny 25 Mey anefa, izany hoe iray volana taorian’ilay fanadiovana ary herinandro alohan’ilay fizarana mari-pankasitrahana, dia nosamborina i Dennis Christensen (eo amin’ilay sary etsy ambony), iray tamin’ireo mpiasa an-tsitrapo nanadio. Nanatrika fotoam-pivavahana milamina tsara izy tamin’izay nefa nolazaina fa mandray anjara amin’ny asa fampihorohoroana. Izany matetika no fanendrikendrehana ampiasain’ny manam-pahefana rosianina mba hanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra any.

Dennis Christensen nanampy tamin’ny fanadiovana tanàna tamin’ny Oktobra 2011.

Nilaza i David Semonian, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah, hoe: “Tsy gaga izay olona mahafantatra ny Vavolombelon’i Jehovah raha ilazana hoe nanadio an-tsitrapo an’ilay tanàna ry Dennis sy ny mpiara-mivavaka aminy. Efa an-taonany maro mantsy ny Vavolombelon’i Jehovah no nanao an’izany sady notohizany foana ilay izy na dia efa nakatona aza ny fikambanan-dry zareo tamin’ny 2016. Tsy ny any Oriol ihany fa eran-tany mihitsy, dia malaza hoe mpiray tanàna fakan-tahaka ny Vavolombelon’i Jehovah. Mahatsikaiky hoe olona miasa mafy sy Kristianina mpankatò lalàna hoatran’i Dennis ve dia atao hoatran’ireny mpanao heloka bevava ireny! Sady amin’izay izy vao avy nandray anjara tamina asa soa ho an’ny fiaraha-monina ary nankasitraka an’izany ireo manam-pahefana tany Oriol. Tianay raha mba hafahana tsy misy hataka andro i Dennis, ary havela hanaraka ny fivavahany sy hanohy hanao asa soa ho an’ny fiaraha-monina miaraka amin’ireo mpiara-mivavaka aminy.”

Tamin’ny 14 Jona 2016 no nakatona ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Oriol, ary herintaona teo ho eo taorian’izay no nitranga io fisamborana an’Atoa Christensen io. Namoaka didy ny Fitsarana Tampon’i Rosia tamin’ny 20 Aprily 2017 hoe hakatona ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia, any akaikin’i Saint-Pétersbourg, ary taoriana kelin’izay no voampanga Atoa Christensen. Mbola tanana am-ponja vonjimaika any Oriol izao Atoa Christensen, mandra-pahatongan’ny fitsarana azy.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

David Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, +1-845-524-3000