Hijery ny anatiny

11 AOGOSITRA 2016
ROSIA

Mandrahona ny Hanakatona ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia ny Manam-pahefana Any

Mandrahona ny Hanakatona ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia ny Manam-pahefana Any

SAINT-PÉTERSBOURG, Rosia—Nandrahona ny hanakatona ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia ireo manam-pahefana rosianina. Izay vao nisy hoatran’izany hatrizay.

Nandefa taratasy fampitandremana ofisialy ny Biraon’ny Tonian’ny Fampanoavana any Rosia tamin’ny 2 Martsa 2016. Nolazainy tao fa “hofoanana io fikambanana ara-pivavahana io” raha tsy vitan’ny foibeny ny mampitsahatra ao anatin’ny roa volana ny “tsy fanarahan-dalàna ataony”, izay lazain’ny fanjakana hoe “mampidi-doza.” Nilaza toy izao i Yaroslav Sivulskiy, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia: “Ho lasan’izy ireo daholo ny fananan’ny fikambananay rehetra, ary ho voarara tanteraka ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah manerana an’i Rosia, raha akatona ilay foibe.”

Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia.

Mahatsikaiky fa mifanandrify amin’ny faha-25 taona nanoratana ara-dalàna voalohany ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia ilay fandrahonana. Nosoratana ara-panjakana tamin’ny 27 Martsa 1991 mantsy ilay foibe, ary naverina nosoratana indray ny 29 Aprily 1999. Any amin’ny tanànan’i Solnetchnoïe, 40 kilaometatra eo ho eo any avaratrandrefan’i Saint-Pétersbourg, no misy an’ilay foibe. Efa imbetsaka ny fanjakana no niezaka nanakantsakana ny asan’ny Vavolombelona, ka iny fandrahonana hanakatona an’ilay foibe iny no faramparany tamin’izany ezaka izany. Tsy navelan’ny manam-pahefana rosianina hiditra tany Rosia, ohatra, ny boky aman-gazetin’ireo Vavolombelona sy ny Baiboly amin’ny teny rosianina, tamin’ny taon-dasa. I Rosia irery koa amin’ny firenena eran-tany no mandrara ny jw.org, tranonkala ofisialin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy Atoa Sivulskiy: “Tsy tokony hampiharina amin’ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Rosia, ilay lalàna natao hanoherana ny fikambanana mahery fihetsika. Tsy manaiky an’ireo fanapahan-kevitra ireo ny Vavolombelon’i Jehovah. Tianay ny hanao an-kalalahana ny fanaon’ny fivavahanay sy ny asa fampianaranay Baiboly, izay efa nataonay nandritra ny 125 taona teto Rosia.”

Mifandray be ny fanjakana sy ny Eglizy Ortodoksa any Rosia. Vao mainka nasiaka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah àry ny manam-pahefana rosianina tato ho ato. Mirongatra ny herisetra atao amin’ny Vavolombelona sy ny fivavahana madinika hafa, ary mitady hamoaka lalàna mikendry ny hanafoanana an’ireo fivavahana ireo ny fanjakana. Noresahin’ny mpilaza vaovao iraisam-pirenena, toy Ny Gazetin’i New York (anglisy), fa ilay “fiarahana akaiky misy eo amin’ny fanjakana sy ny Eglizy Ortodoksa” no toa mahatonga an’izany. Nilaza koa ny Fampahalalam-baovao Mitambatra fa “mampahatahotra an’ireo mpitolona ho an’ny fahalalahana ara-pivavahana ny fanakantsakanan’ny [fanjakana] ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia.” Nilaza ny tatitra iray tao amin’ny vaovao navoakan’ny Reuters fa ampiharana herisetra ny “Vavolombelon’i Jehovah sy ny olon-kafa maro any Rosia, satria ampangain’ny fanjakana ho mpanao heloka bevava. Ho fampiharana an’ilay lalàna natao hanoherana ny fikambanana mahery fihetsika mantsy, hono, izany.” Noresahin’ny gazety Mahaleo Tena (anglisy) tamin’ny Desambra 2015, fa natao “hisorohana ny fanafihan’ny mpampihorohoro sy ny herisetra ataon’ny antoko mpanindrahindra fiandrianam-pirenena” ilay lalàna navoakan’i Rosia. Nampiasaina koa anefa izy io mba “hanenjehana mpivavaka tia fihavanana” hoatran’ny Vavolombelon’i Jehovah, hoy Ny Gazetin’i Huffington (anglisy), mpilaza vaovao ao amin’ny Internet, tamin’ny 20 Martsa 2016. Mitady ny rariny any amin’ny fitsarana eo an-toerana sy any amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona ny Vavolombelon’i Jehovah. Nilaza anefa Ny Gazetin’i Moscou (anglisy) tamin’ny 25 Martsa 2016, fa nandany lalàna vaovao i Rosia. Voalaza ao hoe “manan-jo handa ny didy avoakan’ny fitsarana iraisam-pirenena ny fitsarana any Rosia.”

Mpitsidika ao amin’ny fandraisana olona, ao amin’ilay foibe.

Ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia no mandrindra sy manohana ny asa fampianarana Baiboly maimaim-poana ho an’ny mponina any. Misy olona efa za-draharaha koa ao, miara-miasa amin’ireo manolo-tena an-tsitrapo hanampy ny tra-boina. Misy 146000000 mahery ny mponina any Rosia, ary 175000 mahery ny Vavolombelona any.

Hoy i David Semonian, mpitondra tenin’ny Vavolombelona any amin’ny foibeny any New York: “Tena diso fanantenana izahay mahita hoe mandrahona ny hanakatona ny biraon’ny sampanay any Rosia ny fanjakana any. Samy liana te hahita an’izay hitranga momba izany ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny olon-kafa maro eran-tany.”

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Iraisam-pirenena: David Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Rosia: Yaroslav Sivulskiy, tel. +7 812 702 2691