Hijery ny anatiny

29 NOVAMBRA 2018
ROSIA

Manohana An’i Dennis Christensen ny Olona Eran-tany

Manohana An’i Dennis Christensen ny Olona Eran-tany

Efa 525 andro mahery izay ny Rahalahy Dennis Christensen no tany am-ponja satria hoe nampihatra an’izay inoany, ary efa ho in-50 izy no niseho teo anatrehan’ny fitsarana. Amin’ny tapatapaky ny volana Desambra ny Fitsaram-paritr’i Zheleznodorozhniy, any Oriol, any Rosia, no hihaino an’i Dennis. Falifaly sy be fanantenana foana anefa i Dennis, na dia efa herintaona sy tapany mahery aza izy no nigadra. Hita mihitsy hoe i Jehovah no manampy azy sy mamaly ny vavaky ny rahalahy sy anabavy an-tapitrisany eran-tany.

Nandefa karta kely sy sarisary an-jatony ho an’i Dennis ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia sy any amin’ny firenena hafa, mba hampisehoana hoe tia sy manohana azy izy ireo. Nasehon’i Dennis an’ireo mpanotrona azy ny sasany amin’ireo karta kely sy sary nalefan’ny ankizy ho azy, tamin’ilay fitsarana tamin’ny 30 Oktobra.

Mampiseho ny sasany amin’ny taratasy mampahery voarainy i Dennis, mandritra ny fiatoana tamin’ny fitsarana azy tamin’ny 30 Oktobra 2018.

Manaraka akaiky an’ilay raharaha mahakasika an’i Dennis koa ny olona tsy Vavolombelona eran-tany. Nosokajin’ny fikambanana iray miaro ny zon’olombelona any Moscou ho gadra politika i Dennis, tamin’ny 21 Jolay 2017. Nasain’ny Filan-kevitra Momba ny Zon’olombelona any Rosia nohamarinin’ny Biraon’ny Tonia Mpampanoa Lalàna, tamin’ny 20 Jona 2018, raha mifanaraka amin’ny lalàna ny fanagadrana Vavolombelon’i Jehovah na tsia. Nolazain’ny Vaomiera Amerikanina Miaro ny Fahalalahana Ara-pivavahana Maneran-tany, tamin’ny 26 Septambra 2018, hoe “mpivavaka gadraina noho ny feon’ny fieritreretany” i Dennis.

Rehefa nanafoana ny fikambanana ara-dalàna nampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah i Rosia, dia nomena toky ny Vavolombelon’i Jehovah hoe mbola afaka manaraka ny fivavahany ihany izy ireo. Tsy niraharaha an’izany anefa ny polisy sy ny manam-pahefana sasany sady lalàna tsy tokony hampiharina no nampiasainy. Manao zavatra “mampidi-doza”, hono, i Dennis sy ny olon-kafa ka izany no nisamborana azy ireo. Imbetsaka ny manam-pahefana rosianina no nanao bemidina tany an-tranon’olona, tamin’ity taona ity. Rahalahy sy anabavy 25 izao no migadra, 18 no ambenana ao an-tranony, ary 40 mahery no iharan’ny fanakantsakanana samihafa. Miankina amin’ny didim-pitsarana momba an’i Dennis no hamaritana hoe hatao ahoana ireo Vavolombelon’i Jehovah 90 mahery, any amin’ny faritra 30 eo ho eo any Rosia. Mbola dinihina koa mantsy hoe mpanao heloka bevava ve izy ireo sa tsia.

Matoky isika hoe tsy hitsahatra hivavaka amin’i Jehovah ny mpanompony eran-tany mba homeny herim-po foana ireo rahalahy sy anabavy miatrika fitsarana na migadra. Efa tsy andrintsika ny fotoana ‘hampiharany ny rariny’ amin’ireo rahalahy sy anabavy ireo.—Lioka 18:7.