Hijery ny anatiny

28 NOVAMBRA 2014
ROSIA

Hanafaka sa Hanagadra ny Vavolombelon’i Jehovah ny Fitsarana Ambony any Rostov?

Hanafaka sa Hanagadra ny Vavolombelon’i Jehovah ny Fitsarana Ambony any Rostov?

Hiakatra fitsarana amin’ny 11 Desambra 2014 ireo Vavolombelon’i Jehovah 16 any Taganrog, any Rosia. Nampangaina ho mpanao heloka bevava izy ireo satria nandamina sy nanatrika fotoam-pivavahana. Tsy mampidi-doza akory anefa ny fotoam-pivavahana nataon’izy ireo.

Tamin’ny 2011 no nanomboka ilay olana. Niditra an-keriny tany an-tranon’ireo Vavolombelona mantsy ny manam-pahefana, ary nandray feo an-tsokosoko ny fotoam-pivavahan’izy ireo. Tatỳ aoriana, dia nampangaina ho mpanao heloka bevava ireo nivory tao. Naharitra herintaona sy telo volana ny fitsarana tao Taganrog. Voaheloka ny fito tamin’izy ireo, tamin’ny 30 Jolay 2014, ary nasain’ny mpitsara nandoa vola be. Nomelohiny higadra ela be kosa ny efatra. Niova hevitra tampoka anefa ilay mpitsara, ka nofoanany ilay lamandy ary nataony sazy mihantona ny sazin’ireo voaheloka higadra. Nafahana madiodio koa ireo Vavolombelona sivy ambiny. Na izany aza dia nilaza izy fa nitaona ny olona hikomy izy ireo. Nampakatra ny raharaha tany amin’ny Fitsarana Ambony any Rostov àry ireo Vavolombelona 16, ary nangataka ny hafahana madiodio.

Nampakatra an’ilay raharaha tany amin’io fitsarana io koa anefa ny mpampanoa lalàna. Nangataka izy mba hogadraina ireo Vavolombelona efatra, izay samy anti-panahy eo anivon’ny fiangonana. Ankoatra izany, dia nasainy nosazina indray ireo Vavolombelona sivy nafahana madiodio, ary homelohina satria mitaona ny olona hikomy, hono.

Hoy i Vasiliy Kalin, solontenan’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia: “Enga anie ka ho hitan’ny Fitsarana Ambony any Rostov ny tsy rariny nataon’ny mpitsara tamin’ireo Vavolombelona 16 ireo. Irinay koa raha mba tsy homelohina ho mpanao heloka intsony izy ireo.”