Hijery ny anatiny

27 DESAMBRA 2018
ROSIA

Nomelohin’ny Fitsarana Rosianina i Arkadya Akopyan, 70 Taona

Nomelohin’ny Fitsarana Rosianina i Arkadya Akopyan, 70 Taona

Namoaka didim-pitsarana mahakasika ny Rahalahy Arkadya Akopyan i Oleg Golovashko, mpitsara ao amin’ny Fitsara-paritr’i Prohladniy any Rosia, ny alakamisy 27 Desambra. Nomelohin’io fitsarana io ny Rahalahy Akopyan, izay 70 taona ary mpanjaitra efa misotro ronono. Notereny hanao asa fanasoavam-bahoaka mandritra ny 120 ora izy. Tsy mitombina anefa ilay fiampangana azy hoe mampirisika olona hizara boky mampidi-doza izy.

Na dia tsy nampidirina am-ponja aza ny Rahalahy Akopyan, dia tena manitsakitsaka ny zony iny didim-pitsarana iny. Hampakarina fitsarana ambony kokoa àry ilay raharaha.

Manantena koa isika fa hivoaka ato anatin’ny herinandro vitsivitsy ny didim-pitsarana mahakasika an’i Dennis Christensen. Mivavaka ho an’ny rahalahy sy anabavintsika gadraina noho ny finoany any Rosia isika. Enga anie i Jehovah ka hanohana sy hampahery azy ireo foana!—2 Tesalonianina 2:16, 17.