Hijery ny anatiny

29 MEY 2017
ROSIA

Nanao Bemidina tao Amin’ny Fotoam-pivavahana Iray ny Polisy any Rosia, ary Nanagadra Danoà Iray

Nanao Bemidina tao Amin’ny Fotoam-pivavahana Iray ny Polisy any Rosia, ary Nanagadra Danoà Iray

Niditra tampoka tao amin’ny toerana ivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah any Oriol, Rosia, ny polisy mirongo fiadiana sy ny mpiasan’ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena (FSB), tamin’ny 25 Mey 2017. Nilaza ny manam-pahefana hoe hampiditra fiampangana ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo satria mbola manohy ny asan’ny fikambanana mampidi-doza izy ireo. Efa nofoanan’ny fanjakana tamin’ny 14 Jona 2016 mantsy ilay Fikambanana Ara-pivavahana (LRO) ao Oriol, satria nampangaina hoe mampidi-doza. Noraisin’ny manam-pahefana koa ny mombamomba ny olona rehetra nanatrika an’ilay fivoriana, nalaina ny fitaovana elektronikan’izy ireo, ary avy eo natao savahao ny tranon’ny Vavolombelona tany Oriol.

Nentina tany amin’ny biraon’ny FSB ny lehilahy tao amin’ny fiangonana tao Oriol, ary nohazonina tany am-ponja i Dennis Christensen izay anti-panahy, mizaka ny zom-pirenena danoà. Nandefa fangatahana haingana tany amin’ny Fitsaram-paritr’i Sovietskiy ny mpampanoa lalàna, mba hotanana am-ponja vonjimaika Atoa Christensen. Hanam-potoana hanangonana ny porofo sy hitadiavana vavolombelona hiampangana azy ny FSB amin’izay. Neken’i Svetlana Naumova, mpitsara, ilay fangatahana ka nandidy izy hoe tanana am-ponja vonjimaika mandritra ny roa volana Atoa Christensen. Halefa androany ny fitarainana momba an’izany. Raha meloka izy, dia mety higadra mandritra ny enina ka hatramin’ny folo taona, satria hoe nandika ny Andininy faha-282.2, fizarana 1, amin’ny Lalàna Momba ny Heloka Bevava.

Niara-nanao fotoam-pivavahana amin’ny maha mpiara-mivavaka fotsiny ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Oriol fa tsy hoe amin’ny maha fikambanana ara-dalàna. Hita mihitsy hoe ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah no tian’ny manam-pahefana rosianina henjehina fa tsy ny fikambanana ara-dalàna ampiasainy (LRO) fotsiny. Hoatr’izany koa no nitranga tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Taganrog. Nofoanan’ny manam-pahefana aloha ny LRO tany, dia nampangainy ho mampidi-doza ny Vavolombelona 16 satria hoe mbola manohy mivory milamina tsara foana. Nomelohina daholo izy 16 tamin’ny Novambra 2015, saingy natao sazy mihantona ny saziny sy ny onitra tokony haloany. Eo am-pandinihana ny raharaha momba azy ireo izao ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona.