Hijery ny anatiny

22 APRILY 2014
ROSIA

Rosianina Ampangaina ho Mpanao Heloka Bevava Noho ny Finoany

Rosianina Ampangaina ho Mpanao Heloka Bevava Noho ny Finoany

Vavolombelon’i Jehovah 16 a any Taganrog no ampangaina ho mpanao heloka bevava, satria mivory amim-pilaminana sy mampihatra izay inoany. b Sambany vao nisy toy izany tany Rosia. Raha voaporofo hoe meloka izy ireo, dia mety hasaina handoa lamandy 300000 roubles (23530000 ariary eo ho eo), na mety higadra hatramin’ny valo taona. Tsy mahazo miala ao Taganrog ireo Vavolombelona 16 ireo, mandra-pivoakan’ny didim-pitsarana.

Tamin’ny Jona 2008 no nanomboka ny fanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah any Taganrog. Nameno fangatahana mantsy tamin’izay ny mpampanoa lalàna any Rostov, mba hanafoanana sy handrarana ny Fikambanana Ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah any. Nilaza koa izy fa mitaona ny olona hikomy ny teny ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny bokiny. Neken’ny fitsarana ambaratonga voalohany ny fangatahan’ilay mpampanoa lalàna, ary nohamafisin’ny Fitsarana Tampon’ny Federasionan’i Rosia ilay didim-pitsarana tamin’ny 8 Desambra 2009.

Taorian’ilay didim-pitsarana, dia nakaton’ny manam-pahefana ny Efitrano Fanjakana (trano fivavahana) an’ny Vavolombelon’i Jehovah any Taganrog, ka voatery mivory any an-tranon’olona izy ireo. Nandidy ny manam-pahefana koa ilay fitsarana mba hampidirin’izy ireo ao anatin’ny lisitry ny boky mampidi-doza ny boky 34 navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy eken’ny Vavolombelon’i Jehovah ireo didy ireo, ary mitaky ny rariny any amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona izy ireo.

Hararaotin’ny manam-pahefana any Taganrog ireo zava-nitranga ireo mba hampijaliana sy hampihorohoroana ny Vavolombelona. Nanao be midina tany amin’ny trano 19 an’ny Vavolombelona ny mpitandro filaminana, tamin’ny 2011. Vao maraina be tamin’ny enina izy ireo no nanao an’izany, ary nofohazin’izy ireo daholo ny olona tao an-trano, na ny antitra na ny ankizy. Nataon’izy ireo savahao nandritra ny adiny 8 ka hatramin’ny adiny 11 ny trano mba hitadiavana an’ireo boky lazaina fa mampidi-doza. Nalain’izy ireo daholo ny boky ara-pivavahana rehetra ary naka zavatra hafa koa izy ireo. Alain’ny manam-pahefana video mangingina ny fotoam-pivavahana sy ny mpanatrika tsirairay mba hahafahana miampanga azy ireo. Noho ireo zava-nitranga tany Taganrog ireo, dia lasa enjehina sy ampijalina ny Vavolombelon’i Jehovah manerana an’i Rosia, ary manohana an’izany ny fanjakana. c

Fivavahana fantatra eran-tany ny Vavolombelon’i Jehovah. Mamela ny olona hanaraka an’izay fivavahana tiany ny Lalàm-panorenana Rosianina sy ny Fifanarahana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona. Omen’ny fitsarana ambony maneran-tany an’io zo io ny Vavolombelon’i Jehovah. Ataon’ny manam-pahefana any Taganrog toy ny hoe tsy mendrika hahazo an’io zo io anefa ny Vavolombelona any.

Mbola mitohy izao ny fitsarana, ary antenaina hivoaka amin’ny volana Mey ny didim-pitsarana, aorian’ny fihainoana an’ireo porofo farany. Raha melohin’ny fitsarana ireo Vavolombelona 16, dia hatahorana koa ny amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah 800 mahery any Taganrog. Mety homelohina koa ireo Vavolombelona hafa efa nampangaina, any amin’ny faritra hafa any Rosia.

Hoy i Grigory Martynov, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia: “Tsy marim-pototra izao fanakantsakanana ny fahalalahana ara-pivavahana izao. Tsy atahorana hampisy fizarazarana sy hanimba ny fandriampahalemana ao amin’ny Federasionan’i Rosia mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah. Ampijalina sy avakavahana izy ireo satria fotsiny hoe Vavolombelon’i Jehovah.”

a Marihina fa 10 monja amin’ireo 16 no eo amin’ny sary etsy ambony.

b Ny Andininy faha-282.2(1) sy (2) amin’ny Fehezan-dalàn’ny Federasionan’i Rosia Momba ny Heloka Bevava no nentin’ny manam-pahefana hiampangana an’ireo Vavolombelona 16, tamin’ny 2012. Mety higadra hatramin’ny telo taona izy ireo, vokatr’izany. Ny Andininy faha-150(4) amin’ilay Fehezan-dalàna kosa no nentina hiampangana anti-panahy efatra. Mety higadra dimy ka hatramin’ny valo taona izy ireo, vokatr’izany.

c Taorian’ilay didy navoakan’ny Fitsarana Tampon’ny Federasionan’i Rosia, tamin’ny 8 Desambra 2009, dia Vavolombelona 1600 mahery no notanan’ny mpitandro filaminana am-ponja. Noraran’izy ireo koa ny boky 70 mahery fa hoe “mampidi-doza”, hono. Trano sy toeram-pivavahana 171 an’ny Vavolombelona no nidiran’izy ireo an-keriny sy nataony savahao, ary in-69 izy ireo no nanelingelina na nanakorontana ny fotoam-pivavahan’ny Vavolombelona.