3 MEY 2018
ROSIA
Resy Teny Amin’ny Fitsarana ny Vavolombelona ka Azon’ny Manam-pahefana Rosianina Alaina ny Tranon’ny Sampana teo Aloha
Nanohana an’ilay didim-pitsarana nivoaka tamin’ny Desambra 2017 ny fitsarana ao Saint-Pétersbourg tamin’ny alakamisy 3 Mey 2018, ka azon’ny fanjakana rosianina alaina avy hatrany ny tranon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia, ao Solnetchnoïe.
Tsy afaka manakana an’i Rosia tsy haka an’ireo trano ireo intsony isika. Efa nandefa fitarainana any amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona (CEDH) anefa isika, ary efa anisan’ny dinihin’ny CEDH ny momba an’izany. Efa nilazan’ny CEDH koa ny fanjakana rosianina hoe hodinihiny haingana ny fitarainantsika.
Manantena isika fa handamina an’io raharaha io amin’ny fotoana mety aminy i Jehovah, ilay Andriamanitry ny rariny.—Isaia 30:18.