Hijery ny anatiny

3 APRILY 2017
ROSIA

Video: Ny Hevitry ny Manam-pahaizana Momba ny Fandrahonan’i Rosia Handrara ny Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Any

Video: Ny Hevitry ny Manam-pahaizana Momba ny Fandrahonan’i Rosia Handrara ny Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Any

Amin’ny 5 Aprily 2017 no andrasana ny didim-pitsaran’ny Fitsarana Tampon’ny Federasionan’i Rosia. Ho hita amin’izay raha handrara sy hanafoana ny fikambanana ara-dalàna ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah eran’i Rosia izy io na tsia. Raha voarara ny asan’ny Vavolombelona, dia heverina hoe manao heloka bevava izy ireo rehefa manao zavatra mifandray amin’ny fivavahany. Tsy ara-drariny ny zavatra ataon’ny manam-pahefana any. Milaza ny heviny momba izany ny manam-pahaizana momba ny zon’olombelona avy any Rosia sy avy any an-tany hafa. Resahin’izy ireo fa tsy ny Vavolombelona ihany no hizaka ny vokany raha voarara ny fivavahany. Ho ratsy laza eran-tany koa i Rosia, ary ho hita hoe tsy manaja ny fahalalahana ara-pivavahana.

  • Heiner Bielefeldt: “Raha ny Vavolombelon’i Jehovah no lazaina fa mampidi-doza, dia isika rehetra mihitsy izany no mampidi-doza”

    Efa anisan’ny Mpanao Tatitra Manokana Momba ny Fahalalahana Ara-pivavahana eo Anivon’ny Firenena Mikambana

  • Richard Clayton, mpahay lalàna notendren’ny Mpanjakavavin’i Angletera: “Manafintohina ilay izy satria efa ratsy ilay lalàna, nefa mbola ampiharina amin’ny fomba faran’izay ratsy koa.”

    Mpahay Lalàna Iraisam-pirenena momba ny Zon’olombelona, sady Solontenan’i Royaume-Uni ao amin’ny Vaomieran’i Venise

  • Pr. Massimo Introvigne: “Tsy mahery setra mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah, fa iharan’ny herisetra foana”

    Manam-pahaizana Momba ny Fiaraha-monina sady efa Solontenan’ny OSCE Amin’ny Ady Atao Amin’ny Fanavakavaham-bolon-koditra, Fankahalana Vahiny, ary Fanavakavahana

  • Annika Hvithamar: ‘Raha mampidi-doza ny Vavolombelon’i Jehovah, dia tokony hoheverina ho mampidi-doza koa ny ankamaroan’ny Fivavahana Kristianina hafa’

    Mpampianatra sady Tale Lefitry ny Taranja Mandinika ny Fiaraha-monina Eran-tany, ao amin’ny Oniversiten’i Copenhague

  • Lyudmila Alekseyeva: “Tsy fahadisoana fotsiny ilay izy, fa heloka bevava mihitsy”

    Talen’ny Fikambanana Helsinki any Moscou sady anisan’ny Vaomiera Miaro ny Fiaraha-monina sy ny Zon’olombelona, izay miara-miasa amin’ny filoha rosianina

  • Anatoly Vasilyevich Pchelintsev: “Andao isika hiaro ny Vavolombelon’i Jehovah e!”

    Tonian’ny Gazety Momba ny Fivavahana sy ny Lalàna

  • Vladimir Vasilyevich Ryakhovskiy: “Ny Vavolombelon’i Jehovah foana aloha no lasibatra, dia avy eo ny olon-drehetra”

    Anisan’ny Vaomiera Miaro ny Fiaraha-monina sy ny Zon’olombelona, izay miara-miasa amin’ny filoha

  • Maksim Shevchenko: “Tsy mifanaraka amin’ny lalàna fototra momba ny fahalalahana hanaraka ny feon’ny fieritreretana io fiampangana io”

    Filohan’ny Foibem-pikarohana Momba ny Fivavahana sy ny Politika

  • Pr. Hubert Seiwert: “Tsy nisy nitombina daholo ny fiampangana natao tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny fitsarana azy ireo.”

    Profesora ao amin’ny Ivon-toerana Fandalinana ny Fivavahana ao amin’ny Oniversiten’i Leipzig

  • Mercedes Murillo Muñoz: “Tena matoky an’io fivavahana io ny fitondram-panjakana.”

    Profesora momba ny Lalàn’ny Eglizy ao amin’ny Oniversiten’ny Mpanjaka Juan Carlos (Espaina)

  • Consuelo Madrigal: “Tsy mampidi-doza izany mihitsy ny fahitako ny [Vavolombelon’i Jehovah].”

    Mpahay Lalàna sady Tonian’ny Fampanoavana teo aloha tany Espaina