Hijery ny anatiny

2 JONA 2014
ROSIA

Mbola Mitohy ny Fiampangana ny Vavolombelon’i Jehovah any Taganrog, any Rosia

Mbola Mitohy ny Fiampangana ny Vavolombelon’i Jehovah any Taganrog, any Rosia

Mbola nitohy tamin’ny Mey 2014 ny fitsarana an’ireo Vavolombelon’i Jehovah 16, tao amin’ny tribonalin’i Taganrog. Io irery no fitsarana any Rosia anerena olom-pirenena rosianina hiala amin’ny finoany. Rahonana izy ireo hoe hampangaina ho mpanao heloka bevava raha tsy mety manao an’izany. Hoy ny iray amin’ireo voampanga: “Tsy tian’izy ireo hiavaka aho fa tiany hitovy amin’ny olona. Tsy tian’izy ireo hiresaka momba ny Baiboly aho. Tsy haiko mihitsy izao izay mbola hitranga.”

Ampiharin’ny manam-pahefana rosianina amin’ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay Lalàna Hanoherana ny Fikambanana Mahery Fihetsika, ary nihamafy izany nanomboka tamin’ny 2009. Hoy i Victor Zhenkov, mpisolovavan’ny Vavolombelona: “Hitako fa ny Vavolombelon’i Jehovah foana no tena kendren’ireo mpitandro filaminana, rehefa nodinihiko ireo zava-nitranga nandritra ireo taona faramparany momba ny fiampangana ny Vavolombelon’i Jehovah.” Vao mainka ampijalin’ny manam-pahefana any Taganrog ny Vavolombelona sady ataony toy ny hoe voarara eo amin’ilay faritra ny asan’izy ireo. Efa voasoratra ara-panjakana tany amin’ny Federasionan’i Rosia anefa ny Vavolombelon’i Jehovah nanomboka tamin’ny 1992. Mazava ny tanjon’ny manam-pahefana any Taganrog. Nitantara ny zavatra nanjo azy ny Vavolombelona voampanga iray hafa. Hoy izy: “Nilaza tamiko ilay mpanao famotorana, tao amin’ny biraony, hoe: ‘Soniavo ity taratasy fialanao tsy ho Vavolombelon’i Jehovah ity, dia hafahanay madiodio ianao ary mahazo mandeha any amin’izay tianao.’”

Mety hampandoavina lamandy, na hampanaovina asa an-terivozona, na hogadraina ireo Vavolombelona 16, arakaraka ny fanapahan-kevitry ny fitsarana. Atahorana ny fahalalahana ara-pivavahana manerana an’i Rosia raha voaheloka izy ireo. Mety hampangaina ho manao heloka bevava koa mantsy ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra any Rosia, satria fotsiny hoe manao asa ara-pivavahana tsy mampidi-doza. Hoy i Alyona Borodina, mpisolovava hafan’ireo voampanga: “Sakantsakanan’ny manam-pahefana foana ny Vavolombelona. Sokajina ho boky mampidi-doza ny bokin’izy ireo. Potehina ny boky iray rehefa misy didim-pitsarana milaza azy io hoe mampidi-doza. Hoy ny mpanoratra iray: ‘Handoro olona, amin’ny farany, izay mandoro boky.’ Tena loza mandrahona ny fahalalahana ara-pivavahana izany.”

Amin’ny Jona 2014 no andrasana ny didim-pitsarana farany. Manahy momba ny hiafaran’io raharaha io ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany sy ireo olon-kafa liana amin’ny fahalalahana ara-pivavahana.