Hijery ny anatiny

4 MARTSA 2013
ROSIA

Tainkintana Nianjera Tany Rosia

Tainkintana Nianjera Tany Rosia

Tamin’ny 15 Febroary 2013, dia nisy tainkintana nianjera tany Tcheliabinsk, any amin’ny faritra atsimon’ny Tendrombohitra Oural, any Rosia. Olona arivo mahery no naratra, trano maro no simba, ary varavarankely maro no potika. Tonga dia niantso an’izay Vavolombelon’i Jehovah mipetraka any amin’ilay faritra niharan’ilay loza ny anti-panahy Vavolombelona tany an-toerana. Vavolombelona sivy, fara fahakeliny, no nipitihan’ny vakim-pitaratra, ary anisan’izany ny ankizy iray. Trano fivavahana iray ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah sy trano 75 koa no nisy simba kely. Manampy amin’ny fanalana ny sisan-javatra simba izao ny Vavolombelona any an-toerana.

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Rosia: Grigory Martynov, tel. +7 812 702 2691