Hijery ny anatiny

21 JANOARY 2014
ROSIA

VAOVAO FARANY: Tsy Nahomby Ilay Tetika Handrarana ny JW.ORG

VAOVAO FARANY: Tsy Nahomby Ilay Tetika Handrarana ny JW.ORG

ST-PÉTERSBOURG, any Rosia—Namoaka didy ny Fitsaram-paritr’i Tsentralniy, any Tver, 160 kilaometatra eo ho eo any avaratr’i Moscou, hoe tokony horarana manerana an’i Rosia ilay tranonkala ara-baiboly jw.org.

Olona ana hetsiny no mijery ny jw.org maneran-tany ary manaja an’io tranonkala io ny mpikaroka. Na izany aza anefa, dia niandany tamin’ny manam-pahefana te handrara an’io tranonkala be mpitia io ny fitsarana. Namoaka an’io didy io ilay fitsarana, nefa sady tsy nampiantso ny Watchtower Bible and Tract Society of New York izay tompon’io tranonkala io, no tsy nihaino ny fanazavana avy amin’izy ireo akory. Nampakarin’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny fitsarana ambony any Tver ilay raharaha. Ny 22 Janoary 2014 no ho re ny valiny.

Mampiasa ny jw.org ireo Vavolombelon’i Jehovah 160 000 mahery any Rosia eo amin’ny zavatra ataony mifandray amin’ny fivavahany sy rehefa mianatra Baiboly samirery na miaraka amin’ny fianakaviany. Raha sanatria lavina ilay fampakarana fitsarana, dia tsy ho afaka hampiasa an’io tranonkala io intsony izy ireo. Ho lasa heloka bevava koa ny mampirisika ny olona hitsidika azy io. Ankoatra an’izany, dia tsy ho afaka hijery maimaim-poana an’ireo fanazavana momba ny Baiboly ao amin’ny jw.org ireo mponina 142 tapitrisa eo ho eo any Rosia. Niresaka momba ny jw.org i Yekaterina Elbakyan, izay manana diplaoma ambony momba ny filozofia sady manam-pahaizana momba ny fivavahana ary mpampianatra ao amin’ny Oniversite momba ny asa sy ny fiaraha-monina any Moscou. Nilaza izy fa ny jw.org dia “fanomezana ho an’izay rehetra manao fikarohana mifandray amin’ny fivavahana. Mora azo ny zavatra resahiny. Hazavainy amin’ny fomba tsotra ny foto-kevitra lehibe ara-baiboly sy ara-pitondran-tena. Rehefa mampiasa an’ilay tranonkala ianao, dia hoatran’ny hoe mandray anao an-tanan-droa ao an-tokantranony ny Vavolombelon’i Jehovah.”

Hoy i Grigory Martynov, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia: “Fitaovana tena tsara ny tranonkala jw.org ho an’ny olona eto Rosia izay mikaroka fanazavana momba ny Baiboly. Tsy misy ifandraisany amin’ny resaka politika na varotra mihitsy izy io. Manantena isika fa havelan’ny fitsarana ambony any Tver hampiasa an’io tranonkala be mpitia sy mampiana-javatra io foana ny Rosianina rehetra.”

Hoy i J. R. Brown, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny Foibe any New York: “Sady fitaovana fikarohana tena tsara ny jw.org no misy fanazavana azo antoka ho an’ny fianakaviana maneran-tany. Tena tsara ilay izy ka olona 900 000 eo ho eo no miditra ao isan’andro mba hahazoana fanazavana azo jerena amin’ny fiteny 600 eo ho eo. Hita mihitsy hoe tsy misy antony tokony handrarana an’io tranonkala io.”

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Rosia: Grigory Martynov, tel. +7 812 702 2691