Hijery ny anatiny

ROSIA

Topy Maso An’i Rosia

Topy Maso An’i Rosia

Faly ireo Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny voalohany, fa afaka mivavaka milamina satria nosoratan’ny Federasionan’i Rosia ho ara-dalàna, tamin’ny 1992. Naverin’ny Vavolombelona nosoratana ara-panjakana indray anefa ny fikambanan’izy ireo tamin’ny 1999, mifanaraka amin’ny lalàna rosianina momba ny fahalalahana hanaraka ny feon’ny fieritreretana sy momba ny fikambanana ara-pivavahana. Misy an-jatony ny fikambanana ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah voasoratra ara-panjakana, manerana an’i Rosia.

Mitombo foana anefa ny olana atrehin’ny Vavolombelon’i Jehovah any, ary tena atahorana hahatonga azy ireo tsy ho afaka hivavaka an-kalalahana intsony izany. Manenjika azy ireo ny mpitandro filaminana any nanomboka tamin’ny 2009, ka ilay Lalàna Hanoherana ny Fikambanana Mahery Fihetsika no ampiasain’izy ireo. Lazain’ny fitsarana any Rosia fa mampidi-doza ny boky maromaro avoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary nampidiriny tamin’izany koa ny tranonkalan’ny Vavolombelon’i Jehovah jw.org. An-jatony ny tranon’ny Vavolombelona sy trano fivavahan’izy ireo nataon’ny polisy savahao. Ampangain’ny mpampanoa lalàna ho mpandika lalàna sy mpanao heloka bevava ny Vavolombelona, satria fotsiny hoe manatrika na mitarika fivoriana ara-pivavahana.

Efa milaza ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona sy ny fikambanana iraisam-pirenena hafa fa tsy mankasitraka ny zavatra ataon’i Rosia. Tsy nampihena ny fampijaliany sy ny fanavakavahany Vavolombelon’i Jehovah anefa ny fitondrana any. Vao mainka aza ny manam-pahefana manakantsakana tsikelikely ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah.