Hijery ny anatiny

3 MARTSA 2014
ROSIA

Vaovao Fanampiny: Tsy Nahomby Ilay Tetika Handrarana ny JW.ORG

Vaovao Fanampiny: Tsy Nahomby Ilay Tetika Handrarana ny JW.ORG

SAINT-PÉTERSBOURG, any Rosia—Nandresy ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 22 Janoary 2014, rehefa nofoanan’ny fitsarana ambony ny didy navoakan’ny fitsarana ambaratonga voalohany hoe horarana manerana an’i Rosia ny jw.org, tranonkala ofisialin’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Nofoanan’ny fitsarana ambony any Tver ny didim-pitsarana tamin’ny 7 Aogositra 2013 navoakan’ny fitsaran’i Tsentralniy. Nilaza ilay fitsarana ambony fa tsy rariny ny fandrarana nataon’ilay fitsaran’i Tsentralniy, satria tsy mba navela nanatrika an’ilay fitsarana akory ny Vavolombelon’i Jehovah, izay tompon’ilay tranonkala. Nentin’ny mpampanoa lalàna teo anatrehan’ny fitsaran’i Tver ilay raharaha satria nisy boky efa nolazain’ny fitsaran’i Rosia hoe “mampidi-doza”, tao amin’ny jw.org. Raha vao nandre an’ilay didim-pitsarana ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nesorin’izy ireo tao amin’ny jw.org any Rosia ireo boky ireo. Voamarin’ny fitsaran’i Tver fa nankatò ny lalàna rosianina ny Vavolombelona, ka nofoanany ilay fandrarana.

Tsy eken’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay didy navoakan’ny fitsarana rosianina hoe “mampidi-doza” ny bokiny sasany. Nandefa fangatahana imbetsaka tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona àry izy ireo mba hanovana an’ilay didy.

Hoy i Grigory Martynov, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia: “Faly isika fa hitan’ireo mpitsara hoe mahasoa ny tranonkalantsika, sady miezaka isika mba hankatò ny didy navoakan’ny fitsarana rosianina. Hiezaka hiaro ny bokintsika foana isika, ary hiaro ny zon’ny Rosianina handray soa amin’ny asa fampianarana Baiboly ataontsika.”

Hoy i J. R. Brown, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny Foibe: “Tena faly ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany noho iny fandresena iny. Afaka mampiasa an’io tranonkala ara-baiboly tena tsara io foana ny mponin’i Rosia rehetra, noho iny fandresena teny amin’ny fitsarana iny.”

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Rosia: Grigory Martynov, tel. +7 812 702 2691