Hijery ny anatiny

4 APRILY 2017
ROSIA

Fanambarana Momba ny Fandrahonan’i Rosia Handrara ny Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Any

Fanambarana Momba ny Fandrahonan’i Rosia Handrara ny Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Any

Amin’ny 5 Aprily 2017 ny Fitsarana Tampony any Rosia no handinika ny raharaha momba ny fandrarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah any. Nanao antso avo ho an’ny mpitondra fanjakana i Vasiliy Kalin, solontenan’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia, andro vitsivitsy mialoha an’ilay fitsarana. Niangavy azy ireo izy mba tsy hanenjika intsony an’ireo Vavolombelona, satria tsy ara-drariny izany. Navoaka tao amin’ny jw-russia.org ny fanambarana nataony, ny 21 Martsa 2017.