Hijery ny anatiny

10 APRILY 2015
ROSIA

Vavolombelona Rosianina Nahita Vola 6000 euros, ary Namerina An’izany Tany Amin’ny Tompony

Vavolombelona Rosianina Nahita Vola 6000 euros, ary Namerina An’izany Tany Amin’ny Tompony

ST-PÉTERSBOURG, any Rosia—Nahita valopy nisy vola nitentina 6000 euros (20 tapitrisa ariary mahery) teny an-dalana i Svetlana Nemchinova, Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny Novambra 2014. Niezaka nitady ny tompon’ilay vola izy, ka afaka namerina an’ilay izy ihany tamin’ny farany. Hita hoe tena tia olona Ramatoa Nemchinova. Nivoaka tamin’ny tele sy radio ary matoam-baovao maro tao amin’ny Internet ny zavatra nataony.

Ramatoa Nemchinova dia mpanadio lalana ao amin’ny tanànan’i Vologda, izay 450 kilaometatra eo ho eo any avaratratsinanan’i Moscou. Nahita valopy izy tamin’izy nanao ny asany, ary vola be mihitsy no hitany tao anatiny. Olona sahirankirana ara-pivelomana Ramatoa Nemchinova ary telo ny zanany. Trano kelikely koa no mba fonenany. Izao anefa no nolazainy: “Tsy tao an-tsaiko mihitsy ny hitazona an’io vola io. Tonga dia nieritreritra aho hoe any izao misy olona mitotototo mitady an’ity.”

Niezaka nitady ny tompon’ilay vola Ramatoa Nemchinova, ka nametaka filazana teny amin’ireo trano teny amin’ny manodidina. Tsy nisy olona tonga anefa. Farany dia nentiny tany amin’ny banky ilay vola, satria nisy rosian’ilay banky nakana azy tao anatin’ilay valopy. Hitan’ny tao amin’ilay banky fa i Pavel Smirnov no tompon’ilay vola. Imbetsaka ilay banky no niantso an’Atoa Smirnov, ary azony ihany izy tamin’ny farany. Afaka nampandre azy àry ny banky hoe hitan-dRamatoa Nemchinova ny volany.

Izao no voalaza tao amin’ny gazety rosianina atao hoe Premier: “Tsy mahatsiaro hoe nanao zavatra niavaka be i Svetlana. Mpivavaka izy ary tia mamaky Baiboly.” Nohazavainy tao amin’ny gazety Premier fa ny fitiava-namana no mahatonga azy hanao an’iny. Nampihariny ilay voalazan’ny Matio 7:12 hoe: “Izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo àry, dia mba ataovy aminy koa.”

Naka sary niaraka tamin’i Svetlana Nemchinova i Pavel Smirnov, taorian’ny namerenana ny volany.

Mpanao zavakanto Atoa Smirnov. Namorona karazana loko manokana izy, ary mbola te hanao fikarohana bebe kokoa momba ny loko. Nanangom-bola àry izy mba hividianany fitaovana manokana hampiasainy amin’izany. Hoy izy: “Tena mankasitraka an’i Svetlana aho, ary tsy misy teny mahalaza ny ato am-poko. Lasa matoky olona indray aho, rehefa nahita an’iny zavatra nataony iny. Ny azo lazaina ankoatra an’izay angamba dia hoe: ‘Misy Andriamanitra!’”

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Rosia: Yaroslav Sivulskiy, tel. +7 812 702 2691