Hijery ny anatiny

3 JONA 2015
ROSIA

Nekena ho Ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah any Moscou

Nekena ho Ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah any Moscou

Neken’ny Minisiteran’ny Fitsarana rosianina ny hanoratana ho ara-dalàna ny Fikambanana Ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Moscou, tamin’ny 27 Mey 2015. Efa ho dimy taona talohan’izao no nilaza ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona fa tsy ara-dalàna ny didy navoakan’ny fitsarana any Moscou, izay nanafoana ny fikambanana ara-dalànan’ny Vavolombelona.

Namoaka didy nanafoana ny fikambanana ara-dalànan’ny Vavolombelona ny Fitsaran’i Golovinskiy any Moscou, tamin’ny 2004, taorian’ny ady ara-pitsarana naharitra aman-taonany. Nasain’ny Fitsarana Eoropeanina nanaiky hanoratra ho ara-dalàna an’ilay fikambanana i Rosia tamin’ny 2010, ary nasainy nandoa onitra. Naloan’ny governemanta rosianina ilay izy saingy izao vao nekeny ny hanoratana ho ara-dalàna ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah.