Hijery ny anatiny

Toerana nanaovana bemidina tany Rosia

2 MEY 2018
ROSIA

Ampihorohoroina ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia

Ampihorohoroina ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia

Manao bemidina any an-tranon’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia ny polisy sady mahery setra amin’izy ireo. Tanàna fito, fara fahakeliny, no nitrangan’izany. Hita hoe efa nomanina mialoha ilay izy ary ny polisy manokana (OMON) no nitarika an’izany. Manao saron-tava sy mitondra basy izy ireo indraindray. Toy izao no ataony: Tonga ao an-tranon’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo, manambana amin’ny basy, ary samboriny na ny tanora na ny antitra mba hanaovana famotorana.

Arkadya Akopyan sy Sonya vadiny, ary ny zafikeliny roa vavy

Nanao fanadihadiana momba ny heloka bevava ny manam-pahefana tamin’ny herintaona ka folo, fara fahakeliny, no natao tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Dimy ny Vavolombelona nogadraina, anisan’izany i Dennis Christensen, izay notanana am-ponja vonjimaika nanomboka tamin’ny 25 Mey 2017. Miakatra fitsarana ao amin’ny Repoblikan’i Kabardino-Balkarie koa izao i Arkadya Akopyan, 69 taona. Mety higadra roa ka hatramin’ny folo taona izy ireo satria fotsiny hoe miara-mivory mba hivavaka.

Nofoanan’ny Fitsarana Tampon’ny Federasionan’i Rosia ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia sy ireo fikambanana ara-dalàna 395 hafa ampiasainy, tamin’ny 20 Aprily 2017. Nandritra an’ilay fitsarana dia nilaza ny fitondram-panjakana fa afaka manaraka ny zavatra inoany ny Vavolombelon’i Jehovah tsirairay na dia foanana aza ireo fikambanana ara-dalàna ireo. Tsy mifanaraka amin’ny zavatra nolazainy tamin’izany anefa ny fihetsiky ny fanjakana amin’izao.

Efa nofoanan’ny fanjakana rosianina izao ireo fikambanana ara-dalàna an’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia. Efa nanomboka naka ny fananan’ilay fikambanana koa ny fanjakana. Mifantoka kokoa amin’ny olona sy ny fivavahany indray izao ny fanjakana. Heverina ho manao heloka bevava izao ireo Vavolombelon’i Jehovah 175000 mahery any Rosia rehefa manaraka ny zavatra inoany.

Manao bemidina, manao famotorana, ary managadra

Vao mainka ny mpitandro filaminana mampijaly Vavolombelon’i Jehovah, nanomboka tamin’ny Janoary 2018.

20 Aprily 2018, any Shuya, faritanin’i Ivanovo: Nanao savahao ny trano efatra an’ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpitandro filaminana. Nohazonin’izy ireo tany amin’ny paositry ny polisy i Dmitry Mihailov, ary navotsotr’izy ireo avy eo. Nanokatra fanadihadiana momba ny heloka bevava ny manam-pahefana. Nampangain’izy ireo ho nandika ny Lalàna 282.2(2) amin’ny Lalàna Momba ny Heloka Bevava izy satria ‘nandray anjara tamin’ny asan’ny fikambanana mampidi-doza.’ Tsy mahazo miala ao Shuya izy raha mbola tsy misy toromarika mamela azy hanao an’izany.

19 Aprily 2018, any Vladivostok: Nanao bemidina tao amin’ny trano iray ny polisy sy ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena (FSB) ary nitondra an’i Valentin Osadchuk sy ny vehivavy be taona telo ho any amin’ny paositry ny polisy mba hanaovana famotorana. Nampangain’ny manam-pahefana ho nandika ny Lalàna 282.2(2) amin’ny Lalàna Momba ny Heloka Bevava Atoa Osadchuk, ka mety higadra roa ka hatramin’ny efa-taona. Notanana am-ponja vonjimaika izy. Namoaka didy ny fitsarana ao Frunzenskiy, tamin’ny 23 Aprily, hoe hotanana am-ponja vonjimaika hatramin’ny 20 Jona 2018 Atoa Osadchuk. Ao amin’ny fonja iray ao Vladivostok izy izao.

18 Aprily 2018, any Polyarny, faritanin’i Murmansk: Niditra an-keriny tao an-tranon-dry Roman Markin ny polisy sy ny OMON misaron-tava, miaraka amin’ny basy, ny takarivan’io andro io. Nambanany tamin’ny basy izy sady notereny hihohoka tamin’ny tany. Tonga dia nihohoka tamin’ny tany koa ny zanany vavy raha vao nahita an’izany ary nosaronany tamin’ny tanany ny lohany. Nentina tany amin’ny paositry ny polisy Atoa Markin ary notanana am-ponja vonjimaika, rehefa avy nikarokaroka tao an-tranony ny polisy.

Nanao fisavana tany amin’ny tranon’ny Vavolombelona 14 teo akaiky teo koa ny polisy, tamin’io takariva io. Nalainy ny telefaonina, tablette, ary zavatra hafa an’ireo olona ireo, ary nentina tany amin’ny paositry ny polisy izy ireo mba hanaovana famotorana. Notorin’ny manam-pahefana eo an-toerana Atoa Markin sy Viktor Trofimov, izay Vavolombelon’i Jehovah koa. Samy nampangaina ho nandika ny Lalàna 282.2(1) amin’ny Lalàna Momba ny Heloka Bevava izy ireo satria hoe ‘niandraikitra ny asan’ny fikambanana mampidi-doza.’ Raha melohin’ny fitsarana izy ireo dia mety higadra enina ka hatramin’ny folo taona. Tanana am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonja any Murmansk izy ireo.

10 Aprily 2018, distrikan’i Zaton, any Ufa: Nanao bemidina sy nanao fisavana tany an-tranon’ny Vavolombelon’i Jehovah maromaro ny mpanao famotorana sy ny OMON, teo anelanelan’ny tamin’ny 6.30 sy tamin’ny 7.00 maraina. Sady nisava ny trano izy ireo no nanadihady an’ireo Vavolombelona. Izao no nolazain’ny polisy tamin’ny Vavolombelona iray: “Havelanay ianao raha miteny hoe tsy anisan’ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah.” Izao indray no nolazaina tamin’ny Vavolombelona iray hafa: “Hataonay tsisy miangana intsony ianareo.” Nentina tany amin’ny paositry ny polisy daholo ireo Vavolombelona, mba hakana peta-tondro sy hametrahana fanontaniana hafa.

Rehefa tonga tao an-tranon-dry Khafizov mivady ny polisy, dia nanambana basy azy ireo sady nikarokaroka eran’ny trano. Nisy polisy iray avy eo nisintona an-dRtoa Khafizova teo amin’ny sandriny sy nanosika azy hiditra tao amin’ny fiaran’ny polisy ary nitondra azy tany amin’ny paositry ny polisy mba hanaovana famotorana. Tsy Vavolombelon’i Jehovah Atoa Khafizov.

Anatoliy sy Alyona Vilitkevich talohan’ny nisamborana an’i Anatoliy

Nanao bemidina tany an-tranon’i Anatoliy Vilitkevich ny polisy ary nisambotra azy. Nilaza tamin’ny vadin’i Anatoliy ny polisy hoe tsy hifankahita “ela be” izy mivady. Nampangaina ho nandika ny Lalàna 282.2(1) amin’ny Lalàna Momba ny Heloka Bevava Atoa Vilitkevich satria hoe ‘niandraikitra ny asan’ny fikambanana mampidi-doza’, ary tanana am-ponja vonjimaika hatramin’ny 2 Jona 2018. Raha melohin’ny fitsarana izy dia mety higadra folo taona.

Martsa 2018, any Oryol: Ankoatra an’ilay raharaha momba an’i Dennis Christensen izay mbola tsy tapitra hatramin’izao, dia manao fanadihadiana momba an’i Sergey Skrynnikov, izay Vavolombelon’i Jehovah koa ny manam-pahefana, rehefa avy nisava trano fito tao Oryol tamin’ny Mey 2017. Nampangaina ho nandika ny Lalàna 282.2(2) izy satria ‘nandray anjara tamin’ny asan’ny fikambanana mampidi-doza.’ Raha melohin’ny fitsarana izy dia mety higadra roa hatramin’ny folo taona.

7 Febroary 2018, any Belgorod: Nisy mpitandro filaminana maro be nanao bemidina tany an-tranon’ny Vavolombelon’i Jehovah ka trano folo, fara fahakeliny, no nanaovan’izy ireo an’izany. Maro tamin’ireo olona tao an-trano no noterena hidaboka amin’ny tany na naankina tamin’ny rindrina mba tsy hihetsehany. Nisava ny tao an-trano ny polisy ary naka fitaovana elektronika, pasipaoro, sary, ary vola. Nentina tany amin’ny paositry ny polisy avy eo ireo Vavolombelona rehetra ary nanaovana famotorana. Nafahana izy ireo avy eo afa-tsy i Anatoly Shalyapin sy Sergei Voikov. Nafahana izy roa lahy rehefa avy nohazonin’ny polisy nandritra ny 48 ora. Na izany aza, dia tsy mahazo miala ao Belgorod izy roa lahy.

23 Janoary 2018, any Kemerovo: Nanao bemidina ny polisy ary nisava trano 12 an’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nalain’izy ireo daholo ny fitaovana elektronika rehetra, boky ara-pivavahana, ary ny antontan-taratasy maromaro. Nisy lehilahy nisandoka ho Vavolombelon’i Jehovah mantsy talohan’izay ary nanatrika ny fivorian’izy ireo. Naka video mangingina izy ary nanome an’ilay izy tany amin’ny polisy. Vokatr’ilay video nalaina dia nanokatra fanadihadiana momba ny heloka bevava ny manam-pahefana.

Mety hampisaraka fianakaviana ny didim-pitsarana avoakan’ny Fitsarana Tampony

Ankoatra ny tsy rariny ataon’ny polisy sy ny FSB, dia efa namoaka didy koa i Rosia hoe azon’ny fanjakana esorina amin’ny ray aman-dreniny ny zanaka Vavolombelon’i Jehovah mba “hobeazina manokana.” Namoaka ny Fanapahan-kevitra No. 44 mantsy ny mpitsara rehetra ao amin’ny Fitsarana Tampony any amin’ny Federasionan’i Rosia, tamin’ny 14 Novambra 2017. Voalazan’io fanapahan-kevitra io fa “azon’ny fitsarana tsoahana amin’ny ray aman-dreny ny zony hitaiza ny zanany”, raha toa izy ireo ka mampandray anjara ny zanany amin’izay ataon’ny fikambanana ara-pivavahana “mampidi-doza” izay efa voarara.

Nanao ezaka manokana ny Minisiteran’ny Fampianarana sy ny Siansa, tamin’ny 23 Novambra 2017, mba hampirisihana ny olona rehetra any Rosia hoe tokony “hobeazina manokana” ny ankizy tezaina ao amin’ny “fivavahana mampidi-doza.” Nosinganin’io minisitera io ny zanaka Vavolombelon’i Jehovah sy ny zanaky ny mpikambana ao amin’ny fanjakana islamika. Nilaza izy ireo fa “an’aliny ny ankizy” manana ray aman-dreny Vavolombelon’i Jehovah. Mbola tsy nisy zanaka Vavolombelona nosarahina tamin’ny ray aman-dreniny aloha hatramin’izao.

Hanao ahoana no hiafaran’izao?

I Rosia irery no firenena anisan’ny Filan-kevitra Eoropeanina manenjika mpivavaka vitsy an’isa tsy tia ady. Tsy afaka miara-mivavaka na mamaky sy mianatra Baiboly an-kalalahana intsony ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia. Toy ny tamin’ny andron’ny Sovietika, dia tsy maintsy miafina izy ireo rehefa manao an’izany, raha tsy te ho voasambotra sy hiakatra fitsarana.

Manahy mafy ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany hoe raha mitohy izao fanenjehan’ny fanjakana izao dia hanao ahoana ny fihetseham-pon’ny namany any Rosia, ny fifandraisany amin’Andriamanitra, ary ny fahasalaman’izy ireo. Hoy i Philip Brumley, mpanolo-tsain’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Tokony tsy hampijaly olona toy izany intsony i Rosia fa hanaja ny fifanekena nataony teo anatrehan’ny firenena maro, ka tsy hanitsakitsaka ny zon’olombelona sy ny fahalalahana ara-pivavahana. Rehefa avy nofoanan’ny fanjakana ny fikambanana ara-dalàna ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia manomboka managadra olona izy ireo izao. Inona koa no mbola hiandry an’ireo Vavolombelon’i Jehovah any Rosia?”