Hijery ny anatiny

7 APRILY 2017
ROSIA

Andro Fahatelo Amin’ny Fitsarana ny Vavolombelon’i Jehovah teo Anatrehan’ny Fitsarana Tampony Tany Rosia Androany

Andro Fahatelo Amin’ny Fitsarana ny Vavolombelon’i Jehovah teo Anatrehan’ny Fitsarana Tampony Tany Rosia Androany

NEW YORK—Naharitra telo andro ny fitsarana natao tao amin’ny Fitsarana Tampony tany Rosia. Andro fahatelo androany, ary nilaza ilay Fitsarana fa amin’ny alarobia 12 Aprily 2017 amin’ny 10 ora maraina indray ilay izy vao hotohizina. Vavolombelon’i Jehovah efatra no nanome porofo teo anatrehan’ilay Fitsarana androany fa tsy tokony hekena ny fangatahan’ny Minisiteran’ny Fitsarana. Nilaza mantsy ilay minisitera fa tokony hofoanana, hono, ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary tsy tokony havela manao ny asany intsony izy ireo.

Nametraka fanontaniana be dia be tamin’ny Minisiteran’ny Fitsarana ilay mpitsara, ka nasainy nanome porofo izy ireo hoe maninona no lazainy fa mpampihorohoro ny Vavolombelon’i Jehovah ary mampidi-doza ny boky sy gazetiny. Dia tsy nahita porofo ny Minisiteran’ny Fitsarana. Hoy i Vasiliy Kalin, anisan’ny komity mitantana ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia, tamin’ilay Fitsarana: “Averiko aminareo ao amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana fa raha rarana tokoa ny Vavolombelon’i Jehovah dia halahelo be ry zareo, nefa ianareo aza mba tian’izy ireo ho sambatra sy hiadana.”

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Iraisam-pirenena: David A. Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, +1-845-524-3000

Rosia: Yaroslav Sivulskiy, +7-911-087-8009