Hijery ny anatiny

30 OKTOBRA 2015
ROSIA

Fanambarana Mifandray Amin’ny Fitsarana An’ireo Vavolombelon’i Jehovah ao Taganrog, any Rosia

Fanambarana Mifandray Amin’ny Fitsarana An’ireo Vavolombelon’i Jehovah ao Taganrog, any Rosia

Mitombo ny fanenjehana ny mpivavaka, any Rosia. Endrika iray isehoan’izany ny fampakarana fitsarana an’ireo Vavolombelon’i Jehovah ao Taganrog. Efa hamoaka ny didim-pitsarana izao ilay mpitsara. Hanagadra ny olom-pireneny ve i Rosia, satria fotsiny hoe manaraka ny fivavahany izy ireo ary tsy manakorontana na iza na iza? Ho hitanao ao amin’ity video ity fa mampirisika ny hanaovana ny rariny sy ny hanajana ny zon’ny tsirairay hanaraka ny fivavahany i Gajus Glockentin, mpitondra tenin’ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Eoropa.