Rosia
Fanambarana Mifandray Amin’ny Fitsarana An’ireo Vavolombelon’i Jehovah ao Taganrog, any Rosia
Efa tamin’ny 2011 ny Vavolombelon’i Jehovah 16 no nanomboka notsaraina, satria manaraka ny fivavahany. Voaporofo ve ilay hoe mitarika olona hikomy izy ireo?
Hitan’ny Manam-pahaizana fa Tsy Tokony Horarana ny JW.ORG
Tamin’ny 21 Jolay 2015 no nandrara ilay tranonkalan’ny Vavolombelon’i Jehovah jw.org ny Federasionan’i Rosia, ary izy irery no firenena mandrara an’izany.
Famerenam-pitsarana An’ireo Vavolombelona any Taganrog: Rahoviana no Hifarana ny Tsy Rariny?
Hogadraina ve ireo Vavolombelona rosianina 16, satria fotsiny hoe manaraka ny fivavahany?
Nahemotra ny Famoahana ny Didy Momba An’ireo Vavolombelon’i Jehovah 16 ao Taganrog
Ela loatra ilay fitsarana ka misy vokany eo amin’ireo voampanga. Mety tsy handika vilana an’ilay lalàna momba ny mpikomy intsony ve i Rosia, ka hamela ny vahoakany hanaraka izay fivavahana tiany?
Hodinihin’ny Fitsarana Tampony any Rosia ny Raharaha Momba ny LRO any Abinsk
Hiaro ny Vavolombelon’i Jehovah ve ny Fitsarana, ka hamela azy hanaraka ny fivavahany amim-pilaminana? Hofoanany ve ilay didy nanafoana ny fikambanan’izy ireo any Abinsk, any Rosia?
Voarara Ilay Tranonkala Ofisialin’ny Vavolombelon’i Jehovah JW.ORG any Rosia
Heverin’ny manam-pahefana ho toy ny manao heloka bevava izay miditra ao amin’ny jw.org any Rosia. I Rosia irery no firenena mandrara ny jw.org.
Vavolombelona Rosianina Nahita Vola 6000 euros, ary Namerina An’izany Tany Amin’ny Tompony
Niezaka nitady ny tompon’ilay vola be hitany i Svetlana Nemchinova, Vavolombelon’i Jehovah. Nanary fako ilay tompony ka sendra tafaraka tamin’izany io vola io.
Nofoanan’ny Fitsarana Tampony ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Samara
Vokatr’ilay didy navoakan’ny Fitsarana Tampony, dia atahorana hoe tsy hanana fahalalahana ara-pivavahana intsony ireo Vavolombelon’i Jehovah 180000 eo ho eo any Rosia. Mety hanararaotra an’io didy io mantsy ny fanjakana mba hanenjehana azy ireo.
Hahita Olana ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia Noho ny Didy Navoakan’ny Fitsarana Tampony
Atahorana tsy hanana ny fahafahany intsony ireo Vavolombelon’i Jehovah 180000 eo ho eo any Rosia, noho ilay didy navoakan’ny Fitsarana Tampony. Mety hihevitra mantsy ny manam-pahefana fa voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Hanafaka sa Hanagadra ny Vavolombelon’i Jehovah ny Fitsarana Ambony any Rostov?
Hiakatra fitsarana amin’ny 11 Desambra 2014 ireo Vavolombelon’i Jehovah 16 any Taganrog, any Rosia. Nampangaina ho mitaona ny olona hikomy izy ireo.