Rosia
Hiverina Hiakatra Fitsarana Ilay Raharaha Mahakasika ny Fanafoanana ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Samara
Ny 12 Novambra 2014 ny Fitsarana Tampon’i Rosia no hihaino indray an’ilay raharaha mahakasika ny fanafoanana ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, any Samara.
Nampakatra Fitsarana ny Vavolombelon’i Jehovah fa Nofoanana ny Fikambanana Ara-dalànan’izy Ireo any Samara
Handinika ny fitarainana nataon’ireo Vavolombelona any Samara ny Fitsarana Tampony. Nofoanana mantsy ny fikambanany sady nolazaina fa mampirisika ny olona hikomy.
Vavolombelon’i Jehovah Nomelohin’ny Fitsaran’i Taganrog
Atahorana tsy hahazo hanaraka ny fivavahany intsony ireo Vavolombelon’i Jehovah 160000 mahery any Rosia, noho ny didim-pitsarana navoakan’ilay fitsarana.
Fitsarana An’ireo Vavolombelon’i Jehovah any Taganrog
Atahorana ny fahalalahana ara-pivavahana any Rosia. Jereo ato izay nolazain’ireo Vavolombelon’i Jehovah 16 voampanga sy ny mpisolovavan’izy ireo.
Eken’ny Fitsarana Eoropeanina fa Manana Zo Hivory ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia
Manamafy ny Fitsarana Eoropeanina hoe tsy manaja ny zon’ny Vavolombelon’i Jehovah i Rosia, anisan’izany ny zon’izy ireo hivory.
Mbola Mitohy ny Fiampangana ny Vavolombelon’i Jehovah any Taganrog, any Rosia
Olom-pirenena 16 no tsaraina sy ampangaina ho mpanao heloka bevava satria mampihatra izay inoany. Atahorana ny fahalalahana ara-pivavahana eran’i Rosia raha voaheloka izy ireo.
Voasakantsakana ny Fahalalahana Ara-pivavahana any Rosia
Ampangaina ho mpanao heloka bevava ny Vavolombelon’i Jehovah any Taganrog. Nakatona ny efitrano fivorian’izy ireo ary nalaina ny bokin’izy ireo.
Rosianina Ampangaina ho Mpanao Heloka Bevava Noho ny Finoany
Raha helohina ireo Vavolombelon’i Jehovah any Taganrog ampangaina ho mpanao heloka bevava, dia maro ny zo fototry ny olom-pirenena rosianina mety ho voahitsakitsaka.
Tsy Nety Nandrara ny JW.ORG ny Fitsarana Ambony any Rosia
Nanafoana ny didy navoakan’ny fitsarana ambaratonga voalohany ny Fitsaram-paritr’i Tver any Rosia, ka tsy voarara ny tranonkalan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Vaovao Fanampiny: Tsy Nahomby Ilay Tetika Handrarana ny JW.ORG
Nofoanan’ny fitsarana ambony ny didy mandrara ny tranonkala jw.org manerana an’i Rosia.
VAOVAO FARANY: Tsy Nahomby Ilay Tetika Handrarana ny JW.ORG
Namoaka didy mandrara ny jw.org ny Fitsaram-paritr’i Tsentralniy, any Tver, tamin’ny 7 Aogositra 2013. Nofoanana anefa izany didy izany tamin’ny 22 Janoary 2014.
Fitsarana Eoropeanina: Tsy Azo Atao ny Mitsabaka Amin’ny Fiainan’ny Olona
Nasain’ny Fitsarana Eoropeanina nandoa onitra ny Fanjakana Rosianina satria nanitsakitsaka ny zon’ny olona hanana ny fiainany manokana.