Hijery ny anatiny

18 SEPTAMBRA 2019
ROYAUME-UNI

Efa ho Vita ny Sampan’i Grande-Bretagne, Ilay Modely Amin’ny Fanorenana

Efa ho Vita ny Sampan’i Grande-Bretagne, Ilay Modely Amin’ny Fanorenana

Kasaina ho vita amin’ny Desambra 2019 ny fanorenana ny biraon’ny sampan’i Grande-Bretagne any akaikin’i Chelmsford, any Essex. Efa nilaza sahady ny manam-pahaizana hoe modely io tetikasa io satria mamerina ny hatsaran’ilay toerana.

Tamin’ny 2015 isika Vavolombelon’i Jehovah no nividy an’ilay tany. Toerana fanariana fiara sy kamiao efa tsy ampiasaina intsony ary fanariana fako samihafa ilay izy tamin’izany. Mpiasa an-tsitrapo maro no nangady teo amin’ilay toerana ary namadika an’ireo fako mba ho azo ampiasaina, anisan’izany ny pne an’arivony. Pne efa tamin’ny Ady Lehibe II ny sasany amin’izy ireo. Nosivanin’izy ireo avy eo ilay tany ary nalaina daholo na ny fako madinika kely aza mba ho azo avadika zavatra hafa na haverina ampiasaina raha mbola azo atao. Nampiasaina amin’izay ilay tany efa voadio. Amin’ny fitambarany dia rahalahy sy anabavy 11000 mahery no nikarakara an’ilay tany 34 hektara, ary nahatratra adiny efatra tapitrisa mahery no lanin’izy ireo tamin’izany.

Havia: Mpiasa an-tsitrapo voaofana tsara manala fako, tamin’ny 2015; havanana: Sarin’ny zaridaina tsara tarehy, nalaina vao haingana

Hisy zaridaina maro ahitana zavamaniry eo an-toerana sy avy any an-toeran-kafa ao amin’ilay toerana. Hisy dobo sy saham-boninkazodia ary saham-boankazo iray koa ao. Tsy hoe hatao tsara tarehy fotsiny akory ilay toerana. Hanome fonenana ho an’ny biby efa teo hatramin’izay koa ilay izy, sady hitsitsy rano, hiaro ny hazobe sy hazo hafa, hampitombo ny isan’ny zavamaniry efa eo, ary hanome endrika ny tanàna mba hankafizin’ny mponina manodidina.

Hoy ny Rahalahy Paul Rogers, anisan’ny Komitin’ny Tetikasa Fanorenana (CPC): “Tsy nisy nikarakara nandritra ny taona maro ilay tany novidintsika. Nanomboka niova anefa ny paoziny rehefa tonga ny rahalahy sy anabavy maro mba hanasivana an’ilay tany sy haka ny fako teo. Narenina avy eo ilay tany mba ho lasa havoana sy lohasaha, hoatran’ny eo amin’ny manodidina azy. Nambolena hazo sy zavamaniry an-jatony teo taorian’izay. Lasa tsara tarehy be ilay toerana ka mampahatsiahy antsika ny Ezekiela 36:35, 36 hoe: ‘Dia tsy maintsy hisy hilaza hoe: “Oay! Lao irỳ tany irỳ taloha, nefa lasa sahala amin’ny zaridainan’i Edena izao!” ... Dia tsy maintsy ho fantatr’ireo firenena ... fa izaho Jehovah no manorina ny efa rava, sy mamboly indray eo amin’ny tany lavavolo.’”

 

Anabavy roa manadio dobo iray. Nesorina tamin’ny traktera ny fotaka sy ny fako lehibe teo amin’ireo dobo ary nalaina tamin’ny tanana avy eo ny fako madinika sy ny zavamaniry tsy ilaina. Nametrahana zavamaniry 8000 mahery maniry anaty rano avy eo ireny dobo ireny ka madio kokoa ny fahitana an’ilay rano

Iray amin’ireo dobo namboarina mba hampiasana tsara ny rano. Mivarina mankao mantsy ny rano avy eny amin’ny arabe sy avy any amin’ny tranon’ny sampana. Misy fijanonan’ny bisy eo ankavia, ary misy toerana azo itazantazanana mba hankafizan’ny mponina an’ilay zaridaina

Mpanao zaridaina telo mamindra hazo ho eo amin’ilay toerana. Nampiana hazobe sy hazo madinika ary zavamaniry hafa efa ho 15000 tao

Nasiana hazo oliva enina, izay efa 100 taona eo ho eo, eo anoloan’ny trano misy ny birao

Anabavy maromaro manatsara ny endriky ny tanàna. Zana-boninkazo 18000 mahery no nambolena teny amin’ny faritra misimisy hazo. Zavamaniry fahita eo amin’ilay faritra ihany ny ankamaroan’ny nambolena teo

Nasiana voninkazo sy hazo ary hazo madinika tsara tarehy sy milamina tsara eo amin’ny fidirana amin’ny Trano Fonenana F