Hijery ny anatiny

Mampiasa fitaovana manokana ho an’ny jamba ny Ranabavy Helen Budge

24 MARTSA 2021
ROYAUME-UNI

Mizara Fanasana Fahatsiarovana na Manan-kilema Aza

Mizara Fanasana Fahatsiarovana na Manan-kilema Aza

Vavolombelon’i Jehovah i Helen Budge. Mipetraka any Édimbourg, any Ekosy, izy ary jamba. Mbola tsy afaka mitsidika olona mivantana ny Vavolombelon’i Jehovah satria tsy azo atao izany noho ilay valanaretina miparitaka eran-tany. Hoatr’izany koa no mahazo an’i Helen. Mbola manao izay fara heriny foana anefa izy mba hizarana fanasana amin’ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy.

Manasa olona an-taratasy izy. Soratany amin’ilay fitaovany manokana ho an’ny jamba aloha ilay zavatra tiany hatao ao amin’ilay taratasy. Hoy izy: “Ity fitaovana ity ny ahy no taratasy sy stylo.” Tononiny avy eo izay nataony tao, dia ny zanaky ny iray tam-po aminy indray no manoratra an’ilay izy amin’ny taratasy.

Fanasana amin’ny Fahatsiarovana amin’ny soratra braille

Vavolombelon’i Jehovah koa ny maman’i Helen sy ny renibeny, dia tena fotoan-dehibe aminy foana ny Fahatsiarovana hatramin’izay. Niteny izy hoe efa tsy andriny foana ny hanasana olona hanatrika an’ilay fandaharana. Hoy izy: “Efa Fahatsiarovana 70 amin’ity taona ity izao no natrehiko. Faly be foana aho isan-taona rehefa mahazo taratasy fanasana amin’ny soratra braille. Vakiko tsara aloha ilay izy mba hahalalako ny tsipiriany, dia avy eo aho mandinika hoe iza avy no hasaiko.”

Na misy sakantsakana aza, dia mbola mazoto manasa olona ihany ny Kristianina tsy mivadika maneran-tany mba hanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy, amin’ny asabotsy 27 Martsa. Tena tia olona mantsy izy ireo.—Lioka 22:19.